airtel

Fampianarana

24-juin-2026

Hackathon DIU E-Santé 2026

Norombahan'ny Malagasy

Sample post image

ny loka voalohany

24-juin-2026

Mahay ary sangany ny manampahaizana Malagasy. Noporofoin'i Dr Rasoamanana Radoniaina Andriantsiresy izay nitarika ny ekipa Malagasy tamin'ny Hackathon DIU E-Santé 2026 izay natao tany Abidjan, Côte d'Ivoire ny herinandro lasa teo izany. Lasan'ny ekipa Malagasy notarihiny ny loka voalohany noho ny famoronana vahaolana ara-teknolojia maranin-tsaina hanatsarana ny fanaraha-maso ny fitondrana vohoka sy ny fahasalaman'ny reny sy ny zaza, ka manampy amin'ny fisorohana mialoha ny loza mety hitranga sy ny fanatsarana ny fikarakarana ara-pahasalamana. Mpampianatra-mpikaroka avy amin'ny Polyteknika sady Talen'ny Rafitra ara-informatika sy ny teknolojia vaovao ao amin’ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, i Dr Rasoamanana Radoniaina Andriantsiresy. Niarahaba sy nankasitraka ny ezaka sy ny fahombiazana nasehony ny Minisitra Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ary nirary fahombiazana hatrany amin'ny fikarohana sy ny haivao, mba hampisongadina hatrany ny voninahitr'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Notanterahina ny 15 ka hatramin’ny 18 Jona 2026 ity fifaninanana ity izay nampivondrona mpandray anjara miisa 60 avy amin'ny Firenena Afrikanina 17, ahitana mpitsabo, farmasiana, injeniera, informatisianina, sosiôlôgy ary matihanina amin'ny sehatra maro samihafa.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Card image cap