airtel

Fampianarana

21-mars-2023

Fampianarana

Hanitriniala Fanantenana Nanampy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra marefo

Sample post image

Namaly ny antson’ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny fianakavian’ilay tale notorian’ny mpampianatra sasany ka nigadra vonjimaika eny am-ponja ny solombavambahoaka Naivo Raholdina,

21-mars-2023

hoy ny fampitam-baovao voaray. Taorian’ny fanampiana nataon’ny vadiny, Hanitriniala Fanantenana, ireo ray aman-dreny tena marefo sy sahirana ary mahantra no nanao antso ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny fitsarana ny solombavambahoaka mba hijery akaiky ny toe-javatra misy ao satria ataon’ny mpampianatra sorona ny mpianatra ka rehefa te hampianatra izy dia mampianatra, rehefa mitaky izay tale tiany izy dia mitokona nefa efa mandeha ny fanadinana ny mpianatra. 2235 ny isan’ny mpianatra ao amin’ny CEG Nanisana ka tsy hanaiky intsony atao sorona amin’ny fitadiavan- tseza ataon’ireo mpampianatra sasany ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, sy ireo ray amam-drenin’ny mpianatra ka miantso ny minisitry ny fanabeazam-pirenena handray fepetra amin’ireo mpampianatra sasany tsy mety miasa. Ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no manery ny tale fa tsy ny mpampianatra sy ny mpandraraha, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap