ilontsaina artifisialy na «intelligence artificielle», IA hoy isika, ny fanimbàny ny «capacité cognitive» na faharanitan-tsain’ny mpianatra, hoy ny tale lefitry ny sekoly HR Daniel Ambohipanja, Herimiah Rakotondranja Stela. Na ny mpanabe koa aza dia mety ho voakasik’izany, hoy izy. Tsy tokony hanandevo io fa mila manana fahalalàna fototra vao miditra amin’ny fampiasàna azy. Be dia be ny hadisoana na «erreur» ataon’ny IA tsinona. Vao tsy manana fahalalàna fototra ianao izany dia vereziny. Afaka hanampy ihany nef aizy. Ireny antsoina hoe «developper» ireny izao nianatra ela be nefa misy fotoana tsy maintsy mila kely an’io ihany. Tsy azon’ny sekoly ialàna, noho izany, ny fampianarana fahaiza-miaina na «morale» ao anatin’izay hampahafantarana ny loza na «danger» sy tombony na «avantage» amin’ny IA. Rehefa fantatry ny mpianatra sy ny ray aman-dreny izay dia inoana fa samy ho tomponandraikitra sy handray andraikitra. Raha tsy tafapetraka tsara tsinona ny toetsaina mipetraka ao an-tokantrano sy omen’ny sekoly dia tena hanahirana. Hitantsika fa na amin’ny sehatry ny zavakanto, ny teolojia, ny mozika sy ny tontolo rehetra izao dia samy idiràn’ny IA. Izay no anton’ny filàna ilay fananana fahalalàna fototra. Tsy tokony hoe «Intelligence artificielle» io fa «connaissance artificielle», izany hoe fahalalàna namboarina. Ianao izany no tokony manandevo ny IA fa tsy ny mifanohitra amin’izay, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija