airtel

Fampianarana

08-juil-2025

KAOMININA AMPITATAFIKA

Notolorana loka ireo ankizy tsara naoty tamin'ny CEPE

Sample post image

Tanteraky ny Ben'ny tananan'Ampitatafika Rado Ramparaoelina ny fampanantenana

08-juil-2025

nataony mikasika ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanabeazana ao anatin'ny kaominina hiadidiany. Ankizy mpianatra miisa 4 tsara naoty indrindra tamin'ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo no notolorany loka omaly. Avy amin'ny sekoly tsy miankina ny roa tamin'izy ireo raha avy amin'ny sekolim-panjakana kosa ny roa. Nibata ny amboara tamin'izany ny mpianatry ny sekoly Advantista ao Tsararay Ampitatafika. Notolorana 1000.0000 Ar ilay mpianatra izay marihina fa zazavavy kely hahafahany manohy ny fianarany. Nahazo anjara ihany koa ny mpianatry ny sekoly fo masin'i Jesoa miampy ny mpianatry ny EPP Ankadintany sy Ambohimpamonjy. Nahazo 800.000 Ar ny mpianatra nahazo ny laharana faharoa raha 700.000 Ar ny fahatelo. Mbola notoloran'ny kaominina vola ihany koa ny sekoly niavian'ireo ankizy tsara naoty ireo sy ny mpampianatra. Izany no natao moa hoy ny Ben'ny tanana Rado Ramparaoelina dia mba ho fampirisihina ny mpianatra hanao ny tsara kokoa hatrany satria ny fianarana no lova tsara indrindra. Mikasika ny fanadinam-panjakana BEPC moa dia fantatra fa mpianatra miisa 3 tsara naoty ihany koa no hotolorana 1000.000 Ar, 800.000 Ar ary 700.000 Ar aorian'ny fivoahan'ny vokatra tsy misy fanavahana na sekoly tsy miankina na sekolim-panjakana. Toraka izany koa ireo afa-panadinana Bakalorea ka tsara naoty. Natolotra tamin'ny andron'ny omaly Alatsinainy 07 Jolay ihany koa moa ny amboara ho an'ny kaominina Ampitatafika taorian'ny nibatany ny fandresena tamin'ny fifaninana ara-panatanjahantena nokarakarain'ny distrika.
Pati
Légende : Izy 4 mianadahy notolorana loka, notronin'ny Ben'ny tanana sy ireo tompon'andraikitra maro !
 

Dans la même rubrique