airtel

Fampianarana

05-mai-2022

Fampianarana

Karaman’ny PAT an’ny Oniversite « Misy fanitsiana tsy maintsy natao », hoy ny Minisitera

Sample post image

Nitondra fanazavana mikasika ny karaman’ny mpandraharahan’ny Oniveriste ny Tale ara-bolan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Atoa Brysola Rajaonarivelo omaly,

05-mai-2022

eo anatrehan’ny grevy nataon’ireo PAT (Personnel Administratif et Technique) eo anivon’ny Anjerimanontolon’Antananarivo. Nambarany fa hatramin’izay hatramin’ny septambra 2021, dia tany amin’ny Oniversite no nandrindra ny resaka karama. Ny “subvention”, ny karama no nalefa tany. Anatin’ny fanovana isika, mitady ny mangarahara sy ny fitantanana mahomby, ka io no mampisy ny fanoherana. Misy ny dingana sy ny fanamarinana tsy maintsy hatao. «Efa tena ao anatin’ny dingana farany, efa vita ny « engagement » an’ny karama, efa vita ny “liquidation”, ary handeha ny fandoavana, arakaraka ny banky, izay bankin’ny Paositra io, hoy ny fanazavana. Efa vita ihany koa ny « digitalisation » ho an’ny mpandraharahan’ny oniversite, fa any amin’ny fomba fikajiana no tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, ka tsy maintsy namboarina sy nahitsy.Nomarihin’io tompon’Andraikitra io hatrany fa ny anjerimanontolo no nanao ny « état de salaire » izay azy, ary hatramin’izay tsy nifanaraka amin’ny tokony ho izy. Niakatra tany amin’ny Minisitera, nandalo ireo antanan-tohatra mpanao fanamarinana, betsaka ny tsy nifanaraka tamin’ny tokony ho izy, tsy maintsy nilàna fanintsiana, tsy maintsy novaina araka ny tokony ho izy, hoy ny fanazavana. IRSA(Impôt sur les Revenus Salariaux et Assimilés) ohatra, izay misy ny lalàna ankampobeny ny hetra izay mifehy azy, ary eo ny fomba fikajiana kanefa ny 2020 niova, 2021 niova, 2022 nisy fiovana kely kanefa tsy maintsy nampanarahana an’ireny ny fomba fikajiana mba hahazoana «Visa ». Ny tombotsoa aorian’izay satria efa nampanarahana ny “mode de calcul” na fomba fikajiana naparitaka eo anivon’ny oniversite sy ivon-toeram-pikarohana ambony ny “canevás uniformisé” dia tsy tokony tsy ho tara intsony ny karama, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R

Tahirin-tsary : Ny Tale ara-bolan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap