airtel

Fampianarana

08-oct-2025

LMA AMPEFILOHA

Marary ny mpanabe, hampiato ny fampianarana

Sample post image

Mikorontana tanteraka ny san'ireo

08-oct-2025

Ray aman-dRenin'ny mpianatra mampiana-janaka eo anivon'ny Lisea Moderne Ampefiloha. Nanao fanambaranamantsy ireo mpanabe ao aminy fa hampihato ny fampianarana manomboka anio Alarobia 08 Oktobra. Izany dia ho famerenana ny hasin’ny mpanabe sy ny fanabeazana arahin'ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Eo an-danin'izay dia mitaky ny hampiakarana ny « Indemnité » ny izy ireo. Mila ampiakarina ny « indemnités » rehetra mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny toy ny fampiakarana ny « indemnité de logement » ho 300 000 ariary...Takian'izy ireo koa ny hanohizana ny fisitrahan'ny mpiasam- panjakana rehetra tsy ankanavaka ny « indemnité d’installation ary recrutement systématique » ho an' ny « ENF » rehetra sy ny « intégration » ka ny « avancement » dia hatao « automatique ». Mandrampivalin'ireo dia mihato ny fampianarana ao amin’ny « LMA » : hoy ny fanambaran’ireo mpanabe. Eo an-danin'izay dia nilaza ihany koa ny provizera fa mianatra ny mpianatra ny maraina. Ny hariva kosa izy ireo vao miato noho ny zava-misy eto amin'ny Firenena. Asa hanao ahoana, fa ny iarahana mahalala aloha dia marary ny fanabeazana, mila fanarenana.
Pati
Légende : Ireo mpanabe nanao ny fanambarana omaly !
 

Dans la même rubrique