airtel

Fampianarana

08-juil-2025

LMA AMPEFILOHA

Nahazo fantson-drano sy milina mpamokatra herinaratra

Sample post image

Nahazo fantson-drano sy milina mpamokatra herinaratra ny Lisea Maoderna etsy Ampefiloha na ny LMA.

08-juil-2025

tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny ivom-pankalazana ny faha 60 taona nijoroan'ity Lisea iray ity izany. Omaly Alatsinainy 07 jolay no nanolorana ara-teknika ireo fitaovana ireo. Tonga nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Ray mpiahy ny fankalazana, Jeneraly RAVALOMANANA Richard, Filohan’ny Antenimieran-doholona, izay sady vy nahitàna sy angady nananana ny fanomezana. Laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana ny fampianarana, ka tsy maintsy tohanana araka izay tratra. " hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona nandritra ny lahateniny. Tsiahivina moa fa mpianatry ny Lisea Moderna Ampefiloha fahiny ny tenany ka maneho valim-babena ho an’ny sekoly nanabe azy.Vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Orinasa "Gold Ambilo" no nahazoana ny fanomezana. Ho fanalana fahasahiranana ny mpianatra amin'ny delestazy sy mba hisitrahany rano fisotro madio ara-dalana kosa no anton'ilay fantson-drano.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ny foto-drafitrasa !
 

Dans la même rubrique