airtel

Fampianarana

07-sept-2022

Fampianarana

Lycée Mixte Ambanja Nanamafy ny fitakiany sy ny fitokonany

Sample post image

Mbola mitohy hatrany ny fitokonan'ny mpampianatra ao amin'ny Lycée Mixte Ambanja, izay niditra tamin’ny andro faharoa.

07-sept-2022

Nisy ny fanambarana nataon’izy ireo omaly 06 septambra, nampahatsiahy ary mbola manamafy ny tsy hiasa raha tsy misy ny fanampahan-kevitra haingana ho raisin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, manoloana ny fahataran’ny fivoahan’ny “Déçision” izay manendry Proviseur vaovao hisolo toerana ny Proviseur Norbert, izay tsy sitrak’izy ireo. Marihina, hoy ireo mpampianatra, fa efa nandefa mpitandro filaminana teo anivon’ny amin’ny Lycée io Proviseur io, kanefa tsy tokony hidiran’ny mpitandro ny filaminana ny ato amin’ny faritry ny sekoly satria am-pilaminana no iandrasan’izy ireo ny valin’ny fitakianay. Nampanantena fa handray ny asany avy hatrany ireo mpampianatra, raha vao mivaly ny fitakiany dia ny Fialan’ny Proviseur Norbert. Raha hiverenena, efa nilaza ireo mpampianara fa efa nifanarahana tamin'ny solon-tenan'ny DREN, CISCO,… fa ny taom-pianarana 2021/2022 teo iny no miasa ao farany ity Proviseur io noho izy efa hoisotro ronona amin'ny desambra 2022 io ary noho ny olana maro misy eo aminy sy ny Mpampianatra ao. Amin’izao taom-pianarana vaovao izao, misy mpampianatra karamain'ny FRAM efa nandritry ny taona maro ary efa tsy ho ela dia ho voaray mpiasam-panjakana araky ny filaharany any amin'ny lisitra am-pahibemaso no tsy omeny kilasy tazomina (na ora iasana). Mazava ny tanjony fa te hanala ireo mpampianatra ireo ao amin'ity lycée ity izay mifanohitra amin'ny taratasy nosoniaviny io ambany io, hoy ny andaniny. Nampidininy ihany koa ny Karaman'ny “Gardien”-n'ny Lycée izay tsy nifanarahana tamin'ny Ray aman-dReny satria moa karamain'ny Ray aman-dreny io.
Toky R
 

Dans la même rubrique