ny alatsinainy teo, raha nikasa hanao hetsika fanairana toy ny fanao teny amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny fanabeazana Anosy, mba hijerena ny olana sy fahasahiranana misy eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Voalaza omaly, fa noho ny raharaha fanodikodinam-bola no nisamborana ny iray tamin’izy ireo, ary nalefa any Bongolava. Efa nisy ny fikarohana azy efa ela ary izao tratra izao, raha ny vaovao nivoaka teo anivon’ny Sampana fikarohana momba ny heloka bevava tao Fiadanana. Ny roa hafa kosa noho ny fitakiana ara-tsendikaly. Ho alefa eny amin’ny fitsarana ity raharaha ity, saingy afaka nody kosa taorian’ny fanadihadian’ny zandary. Tonga teny sampana fikarohana heloka bevava teny Fiadanana nanontany ny zava-misy kosa ireo sendika naman'izy ireo. Mandeha moa ny famohazana fa efa ho dimy taona mahery no tsy nisy fiakarany na dia 1 Ar ny karaman'ny mpiasam-panjakana, ary anisany izany ny mpampianatra mpanabe. Ny tambinkarama natokana ho an’ny hofantrano anefa dia 14.000 Ar. Samy lasa nialokaloka any anaty politika avokoa ireo nilaza fa mahery fo tao amin'ny MEN nitarika ireo hetsi-pitakiana samihafa talohan’izao fitondrana izao, hoy ny fanamarihana. Mandeha ny fampahatsiahivana, fa nisy izany ANEFA (Fivondronan'ireo mpampianatra mbola tsy mpiasampanjakana), izay notarihiny Elidio Randrianjafy. Tsy nisy minisitra tsy nosahiranin'izany mpitarika izany teto amin'ny firenena talohan'ny fitondran'atoa filoha Andry Rajoelina. Lasa Ben'ny tanana IRD ao amin'ny kaominina Anosizato Andrefana izy ka natory tanteraka ny ANEFA. « Tsy zoviana tamintsika izany Arsène Tolojanahary izany; izay mpitarika ny SEMPAMA- NOSY. Lasa solombavambahoaka IRMAR voafidy tao amin'ny distrika Befotaka Atsimo ihany koa ary voafidy ho filohan'ny kaomisiona ny fanabeazana ao amin'ny antenimierampirenena kanefa dia tsy ary niloa-bava na indray mandeha mahakasika ny tokony hanatsarana ny tontolon'ny fanabeazana, fa variana mi goka ny tombontsoa ao amin'ny antenimierampirenena ao miaraka amin'ireo akamakama », hoy ireo mpanabe. Mba niezaka ny nanentana ireo mpanabe namany atoa Mahatoky Back, izay mpitarika ny Syndicat MITAFA, nandritra ny herinandro vitsivitsy ary mba nanandrana ny andeha haneho hevitra tao amin'ny MEN, toy ny fanao hatrizay, fa tonga dia nosamborin'ny mpitandro filaminana », hoy hatrany ny fanamarihan’ireo mpanabe. Natao fitaovana politika nakana seza sy fahefana ve izany ny fanabeazana ho an’ireo mpitarika sendika sasany ary izay sahy mijoro ankehitriny dia tratry ny fampihorohoroana?
Toky R
Feno 45 taona amin’ity taona 2025 ity ny CEG Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo,