airtel

Fampianarana

04-mai-2026

Minisiteran’ny fampianarana

teknika sy fanofanana arak’asa

Sample post image

Betsaka ireo vokatra sy fanavaozana tao anatin’ny iray volana

04-mai-2026

Manamafy ny maha-stratejika azy eo amin’ny toekarena sy ny fampandrosoana ny METFP tarihin’ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry. Tanjona mazava: fanofanana an’arivony, fanohanana ny tanora amin’ny asa sy ny fandraharahana, ary fitantanana mangarahara,... Ampahany ho an’ny vokatra tao anatin’ny iray volana: tanora 1000 voaofana amin’ny sehatra nomerika amin’ny alalan’ny Projet D-CLIC miaraka amin’ny OIF. 57 tanora ao amin’ny Projet PROGRÈS (CFP Mahafasa Centre) tohanana amin’ny dingana « pré-incubation ». Maherin’ny 84 mpiofana amin’ny agro-élevage tao Mahafasa. Maherin’ny 5 285 mpianatra voasara-maso sy arahana amin’ny sehatra FTS/FPC manerana ny Nosy. Kendrena ny hanofana 40 000 teknisianina nomerika hatramin’ny 2028 amin’ny alalan’ny « Stratégie nationale de digitalisation de l’ETFP » miaraka amin’ny UNESCO sy ny PTF ; ny tetikasa BIOCOM Madagascar, notanterahin’ny UNESCO niaraka tamin’ny fanohanan’ny KOICA miompâna amin’ny fananganana ivon-toeram-piofanana tao Ranopiso sy Sambava ary ny fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny faritra. Ankoatra izany, nisy fiofanana fohy tamin’ny sehatra isan-karazany (couture, pâtisserie, informatika, asa tanana), … Tanjona ny hanofana tanora 6 000 isan-taona mandritra ny telo taona voalohany. Tafiditra ny famerenana ara-tsosialy ireo olona nania: « menuiserie » ho an’ny lehilahy, coupe & couture ho an’ny vehivavy. Fanofanana ho an’ny tovovavy tsy manohy fianarana any Vondrozo sy Befotaka Sud miaraka amin’ny UNICEF sy fikambanana vehivavy. Misy ny tetikasa fampidirana ankizy nandika lalàna amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny “Grandir Dignement”. Maro ny fiaraha-miasa stratejika vaovao: “Wings of Change” ho an’ny fanarenana ETFP roa eto Analamanga, fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny tsy miankina na 3P. ONEF/INSERJEUNE, fampidirana mivantana ny tolotra asa ETFP ao amin’ny sehatra nasionaly. Fanavaozana fotodrafitrasa, fanomezana fitaovana (10 ordinateurs), fanadiovana ny fitantanana HR tao Toliara. Ara-pampianarana, ho an’ny BACC 2026, fampidirana angona ao amin’ny WINEXAM sy fametrahana antontan-taratasy ao amin’ny MESUPRES. Mamaha olana ara-bola: fanomezana vola ho an’ny taratasy fanadinana sy “vacations” an’ireo mpampianatra. Manamafy ny fitantanana mangarahara sy fanoherana kolikoly: fanamafisana ny Cellule CAILC (Audit interne, lutte contre la corruption), fampiharana ny chapitres III sy V amin’ny fenitra iraisam-pirenena, ary fitoriana ofisialy amin’ny tranga fanodinkodinana fitaovana informatika any Haute Matsiatra. Ampahany ihany amin’ireo vokatra sy fanavaozana lehibe eo anivon’ny ETFP ireny.
Toky R

 

 

 

 


Manamafy sy manasongadina ny maha stratejika azy eo amin’ny lafiny toekarena sy fampandrosoana ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa na ny METFP tarihin’ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry. Mametraka tanjona mazava tanjona mazava: fanofanana an’arivony, fanohanana ny tanora amin’ny asa sy ny fandraharahana, ary fanamafisana ny fitantanana mangarahara. Ampahany amin’ireo vokatra tao anatin’ny iray volana ny : tanora 1000 efa voaofana amin’ny sehatra nomerika amin’ny alalan’ny Projet D-CLIC fiaraha-miasa amin’ny OIF. 57 ny tanora ao amin’ny Projet PROGRÈS (CFP Mahafasa Centre) no tohanana amin’ny dingana « pré-incubation », hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fidirana amin’ny asa. Maherin’ny 84 mpiofana amin’ny agro-élevage tao Mahafasa (poriculture sy aviculture). 40 000 teknisianina nomerika kendrena ho voaofana hatramin’ny 2028, amin’ny alalan’ny « Stratégie nationale de digitalisation de l’ETFP », miaraka amin’ny UNESCO sy ny mpiara-miobon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF. Maherin’ny 5 285 mpianatra voasara-maso sy arahana amin’ny sehatra FTS/FPC manerana ny Nosy Tanjona ny hisiana fanofanana tanora 6 000 isan-taona mandritra ny telo taona voalohany. Tafiditra ihany koa ny famerenana ara-tsosialy ireo olona nania, ka manofanana ireo gadra: « menuiserie » na fandrafetana ho an’ny lehilahy, coupe & couture ho an’ny vehivavy. Fanofanana ho an’ny tovovavy tsy manohy fianarana any Vondrozo sy Befotaka Sud, miaraka amin’ny UNICEF sy fikambanana vehivavy, fampidirana ankizy nandika lalàna amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny “Grandir Dignement”. Maro ireo fiaraha-miasa stratejika vaovao, toy ny “Wings of Change” ho an’ny fanarenana sy fampandehanana ETFP roa eto Analamanga, fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny tsy miankina na 3P ; ONEF/INSERJEUNE, fampidirana mivantana ny tolotra asa ETFP ao amin’ny sehatra nasionaly izay ataon’ny Fanjakana ; fanavaozana fotodrafitrasa, fanomezana fitaovana (10 ordinateurs), ary fanadiovana ny fitantanana HR tao Toliara,… Ara-pampianarana, ho an’ny BACC 2026, misy fampidirana ny angona ao amin’ny WINEXAM, fametrahana antontan-taratasy ao amin’ny MESUPRES. Mamaha ireo olana toy ny fanohanana ara-bola: fanomezana vola ho an’ny taratasy fanadinana sy ny “vacations” an’ireo mpampianatra. Manamafy ny fitantanana mangarahara sy fanoherana Kolikoly : fanamafisana ny Cellule CAILC (Audit interne sy lutte contre la corruption) ; fampiharana ny chapitres III sy V amin’ny fanarahana fenitra iraisam-pirenena ; fitoriana ofisialy amin’ny tranga fanodinkodinana fitaovana informatika any Haute Matsiatra,…

 

Dans la même rubrique