mivaha ankehitriny, araka ny fanambaran’ireo Filohan’ny Fikambanana pedagojika rehetra mandrafitra ity oniversitem-panjakana ity. Efa hatrany amin’ny 2020 no nihamafy ny olana satria nisy ny fihibohana, nisy ny grevy samihafa, hany ka lava loatra ny fahatapahana, hoy ireo mpianatra, izay nilaza fa hiroso amin’ny dingana ambony kokoa raha sanatria tsy misy ny vahaolana. Efa betsaka, hoy izy ireo, ny fihaonana sy fifampiresahana saingy tsy nahitam-bahaolana. “Jereo ny vahaolana maharitra, tsy voatery ny grevin’ny SECES fa ireo olana samihafa mampikatso ny fampianarana. Betsaka ny mpianatra tonga aty kanefa tsy mianatra, ny hofan-trano aloa, ny vatsy lany, ny Ray aman-dReny sahirana. Mitaky ihany koa izahay ho an’ny taom-pianarana manaraka mba hakarina 100% ny vatsim-pianarana satria tena sahirana”, hoy ireo mpianatra. “Manao antso amin’ny tanora Malagasy rehetra izahay mba hahatsapa tena fa manana adidy amin’ity Nosy mamintsika ity, ary tsy hikatsaka afatsy izay tena mahasoa ny firenena. Irianay ny tsy hamatorana anay tanora anatine kajikajy politika satria tsy misy fiandaniana ny fanambarana atao fa teny am-panjakana sy amim-pahamendrehana avy amin-janaka”, hoy ireo Solontenan’ny mpianatra eo anivon’ny Oniversiten’Antananarivo.
Toky R
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana