airtel

Fampianarana

02-juil-2026

Mpanabe

Rakoto Mahefarinoro Villiam René

Sample post image

Aza atao fanimbàna hoavy ny tekinolojia!»

02-juil-2026

Tsy hay ny tsy hanome torohevitra ireo zanaka hanala fanadinana amin’ny maha mpanabe sy mpitantana sekoly, hoy ny mpanabe, Rakoto Mahefarinoro William René, ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fanadinana izao. Ny mialohan’ny fanadinana, hoy izy, dia tena fiomanana ara-tsaina sy fiheritreretana tsara mihitsy nefa koa ara-pitaovana. Ny ara-tsaina moa dia fifantohana. Tokony hananana ny fifantohana hoe fanadinam-panjakàna handrefesana izay nianarana nandritry ny taom-pianarana ity! Ny ara-pitaovana moa dia arak’izay nafarana tany am-pianarana toy ny hoe penina manga, ny fiantsoana na «convocation», ny kara-panondro maha mpianatra na «carte d’identité scolaire». Tena tsy tokony ho adino mihitsy ireny. Mandritry ny fanadinana moa dia mila apetraka ao an-tsaina hoe ny hafa manao ity fanadinana ity dia miatrika azy amin’izay nianarany. Ny toetsaina dia hoe samy loha no ampiasaina ao dia tsy maintsy afaka rehefa miditra ao. Aza atao kitoatoa mihitsy ny famenoana ny taratasim-panadinana! Tsy azo leferina ny hoe adinonao ny laharana na «numéro d’inscription» rehefa hiatrika fanadinana. Tokony hipetraka sy andeha ho azy anaty efitrano fanadinana ireny. Mahaiza mitsinjara ora! Raha adin’ny 2 na 3 no nomena anao dia fara fahakeliny atokàno ho an’ny fandrafetana farany na «au propre» ny adin’ny 1. Eo tsinona mety mbola ho hitanao hoe nisy tsy ampy tany amin’ny vakiraoka na «brouillon». Aoka tsy ho alaim-panahy hangalatra na hifraody na hitondra sopapa sy ny toy izany! vidiana lafo iny raha tratra. Rehefa vita ny fanadinana iray dia aza lany andro mamisavisa an’iny! Aza heritreretina intsony ny vita tamin’ny maraina rehefa hiatrika ny hariva! Ny vita omaly aza sainina intsony ny maraina! Rehefa tonga ny valim-panadinana dia izay tena avoakan’ny fanjakàna jerena! Raha afaka ianao dia misaora an’Andriamanitra. Raha tsy afaka dia misaora koa azy fa misy tiany ambara ao. Ny famerenana na «révision» dia miankina amin’ny tsirairay sy arak’izay toromarika nomen’ny mpampianatra tany am-pianarana. Ny tena izy dia aza ny alahady alina intsony no mbola mamerimberina. Mba sabotsy, fara-faha ratsiny dia efa vita ny famerenana rehetra. Vao tamin’ny alatsinainy no heno tamina mpitantana sekoly, mpiara-miasa, hoe efa misy karazana «haut parleur» na fitaovana kely azo atao anaty sofina dia any an-trano ilay ray aman-dreny na mpampianatra no manoro ny zanany hoe izao sy izao no itondrànao an’io. Zava-doza raha izay no mitranga. Aoka tsy ho azon’ny fakam-panahy toy izany isika ray aman-dreny sy mpiadina. Aza atao fanimbàna hoavy ny tekinolojia! Ekena koa hoe misy karazana fialàmboly samihafa anatin’ireny fa aoka hijanona ho fialàmboly fotsiny ihany. Ekena koa hoe mba misy fotoana ilaina ny manala sorisory nefa mahalalà onony, indrindra, aorian’ny fanadinana, hoy hatrany ity mpanabe ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

hosoka, roa hafa narary tampoka

Card image cap