Nivoaka tamin'ny fahanginany manoloana ireo fanakorontanana sy fihoaram-pefy ny mpiasan'ny CROUA (Centre Régionale des Œuvres Universitaires d'Antananarivo). Milaza izy ireo fa manao ny asany ara-dalàna ary miezaka manome fahafam-po ireo mpianatra tena ara-dalàna mipetraka amin'ny cité Universitaire. "Mafy ny asa raha tsy hilaza afatsy ny fikarakarana ny toeram-ponenan'ny mpianatra manodidina ny 8500 avy amin'ny lafivalon'ny Nosy amin'ny toeram-ponenana miisa 7. Mafy ny miala any an-tokantrano kanefa birao mifantsika miampy fandrahonana no mitsena anay eny amin'ny toeram-piakasana", hoy ny mpiasan'ny CROUA. Angatahan'izy ireo noho izany ny fiverenana amin'ny ara-dalàna, indrindra amin'izao andron'ny fanavaozana izao mba hitandroana ny Filaminana sy ny fandriampahalemana hahafana y manateraka ny asanay anatin'ny fitoniana. Nomarihin'ny mpiasan'ny CROUA fa ny tena mpianatra ara-dalana monina amin'ny Cité dia tsy ahitana olana fa matetika ireo tsy olona avy any ivelany sy efa tsy mpianatra intsony no mamboly savorovoro eny amin'ny Cité. "Mangataka izahay tsy hisy ny sakatsakana amin'ny fampiharana ny lalàna mba hahafana miasa am-pitoniana, tsy hanjakan'ny gaboraraka sy ny tsy maty manota,... satria dia tena miaina amin'ny tahotra sy horohoroho izahay amin'ny fanatanterahana ny asanay", hoy ny mpiasan'ny CROUA. Tsy vao izao fa efa an-taonany maro ny fanaovana grevy sy antsojay amin'ny tompon'andraikitra rehefa misy fandaminana hentitra sy fanaraha-maso, indrindra moa fa fanadiovana. Natao bizina ny trano fonenan'ny mpianatra ka betsaka no tsy mpianatra intsony mibodo izany. Na efa tsy mpianatra intsony aza dia mody soratana amina mpianatra. Mila fanovana toe-tsaina !
Toky R