airtel

Fampianarana

14-nov-2023

Mpitari-tolon’ny SECES

Nangatahan’ny prezidansa ho tapahana karama

Sample post image

Nangatahan’ny prezidansy na fiadidiana ny repoblika malagasy, tarihin’ny filoha mpisolo toerana, ny Jeneraly Richard Ravalomanana,

14-nov-2023

ho tapahana karama ireo mpitari-tolona eo anivon’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Voatonona manokana ao anatin’ny taratasy mirakitra izany mihitsy moa ny anaran’ny filohan’ny SECES Antananarivo, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Efa maherin’ny 4 volana, hoy ny voalaza, no efa nikatso ny fampianarana sy fikarohana teny anivon’ny anjerimanontolom-panjakana ary mampanahy ny amin’ny hitaran’izany ho hetsika manohintohina ny filaminam-bahoaka satria dia efa manao ny hetsiny koa ankehitriny ireo mpianatra. Fitakiana fikaonan-doham-pirenena izany efa fitakiana politika tanteraka izay tohanan’ireo mpanohitra ny fitondrana, hoy hatrany ny voarakitra ao anatin’ity taratasy avy amin’ny fiadidiana ny repoblika nantefany tamin’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ity. Tetsy ankilany moa dia niantso ny amin’ny hiverenan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra handray ny asany ny minisitera tomponandraikitr’izy ireo mba tsy handraisana fepetra mifandraika amin’ny zava-misy. Misokatra mandrakariva amin’ny fifampiresahana ny minisitera, hoy hatrany ny voambara.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap