airtel

Fampianarana

07-déc-2022

Fampianarana

Nangotraka indray ny grevin’ny ENS “Aza potehina ny fampianarana e !”

Sample post image

Nidina an-dalambe nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana indray ny mpianatry ny ENS (Ecole Normale Supérieure) tetsy Ampefiloha omaly 05 desambra 2022 taorian’ny fanambarana niraisan’ny ENS manerana an’I Madagasikara

07-déc-2022

izay ahitana ny ENS Antananarivo, ENS Fianarantsoa, ENS Toliara, ary ny ENSET Antsiranana ny 02 desambra lasa teo. Naneho fahadisoam-panantena amin’ny Fitondrandram-panjakana, izay naneho fa tsy tanteraka ny fampanantenana ny hamoahana didim-panjakana “Décret N°2021 Portant reorganization des Ecoles Normales Supérieures à l’Université et de l’Ecole Normalee Supérieur pour l’Enseignement technique” izay notsiahivin’izy ireo fa notakiana ny 06 janoary 2021. Nanomezana fe-potoana azy ireo 45 andro nanomboka ny 12 janoary 2021 io ary tokony ho nifarana ny 15 martsa 2021 izany raha ny fampahatsiahivan’izy ireo. Tsy tanteraka hatramin’ny farany akory, ka nanaitra ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga mba hijery akaiky sy hanohy ny fampiahana ilay didim-panjakana notakiany ny ENS. Ao anatin’ny fitakiana ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fandraisana ny mpianatra rehetra nahavita fiofanana : LAPEN, MAPEN, CAPEN tao amin’ny sekoly ambony mampiofana ho mpisehatra ao amin’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana mba ho mpiasam-panjakana raikitra. Voalaza fa 686 amin’ny 1500 ihany no noraisina hatreto. Nanome fe-potoana hatramin’ny omaly 05 desambra 2022 izy ireo hamahana ny olana, ary efa nampiomana fa raha tsy mahazo valiny mahafa-po dia hiroso amin’ny dingana manaraka, ary nanantitrantitra fa tompon’andraikitra feno ny minisitera voakasika amin’ny mety ho fikorontanana ateraky ny tsy fahatanterahan’ny fitakian’izy ireo. Tsy niandry ela fa omaly ihany dia raikitra ny grevy nahery vaika, voatery nanetsehana mpitandro filaminana zavon-tany, ary nisy ny fisamborana mpianatra miisa 2 omaly atoandro. “Raha nianatra vao tonga teo, aza vonoina ohatr’izao lesy ny fampianarana a! Fantatray fa tsy mandalo EPP ny zanak’ialahy io, tsy nandalo CEG, tsy nandalo Lycée, any an-dafy ny an’ialahy, eto ny anay io, iadivanay, Malagasy lesy izahay a! Satria mianatra any an-dafy ny zanakareo dia tsy misy iraharahianareo ny eto. Izahay tsy manam-bola handehanana any, izay no hianaranay any amin’ny Oniversitem-panjakana. Aza potehina ny fampianarana”, hoy ireo mpianatra miantefa amin’ny mpitondra ambony eto amin’ny firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Nisy ny tenimita na naoty navoakan’ny Ministeran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana Ara-tsiansa ny 22 martsa 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Mitohy ny hetsika fanentanana ny mpianatra momba ny Fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana

Card image cap