airtel

Fampianarana

18-mars-2024

Oniversite ISFPS Leader

Namboly hazo teny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo

Sample post image

Toy ny fanaony isan-taona dia tsy mitsahatra ny mandray anjara amin’ny famerenana

18-mars-2024

an’i Madagasikara ho maitso volo ny oniversite tsy miankina ISFPS Leader, tarihin’ny filoha tale jeneraliny Tsimiodrike Mahasoa. Solontenan’ny mpianatra am-polony no tonga nanatanteraka izany teny amin’ny Rovan’Ambohidratrimo ny zoma 15 martsa teo. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ity oniversite tsy miankina iray ity fa fampandraisana andraikitra ny mpianatra sahady izao nataon’izy ireo izao. Tanjony mantsy ny hametraka mpianatra hitantana ny anio sy rahampitso ao anatin’ilay fampandrosoana maharitra izay katsahin’ny rehetra. Karazan-kazo an-jatony nahitana ny vorongo, zanatany ary voamboana no novolena tamin’izany izay marihina fa teo ivelan’ny Rova. Nohararaotin’izy ireo ihany koa nandritra izany ny nampianatra ireo mpianatra ny tantaran’ity Rovan’Ambohidratrimo ity izay tafiditra ao anatin’ireo vohitra masina miisa 18. Anisan’ny manan-tantara mantsy izy no sady tafiditra anatin’ny vakoka nofaritana sy napetraky ny UNESCO. Notsindrian’ny tompon’andraikitry ny vakoka ao Ambohidratrimo moa fa teny ivelan’ny Rova no nanaovana izany fambolen-kazo izany. Ny hazo volena ao anaty rova mantsy hoy izy dia tsy maintsy fantatra mialoha miaraka amin’ny fotoana hanaovana azy . Olona fantatra ihany koa no manao azy. Notsindriany ihany koa fa tsy azo hiakaran’ny vahoaka fa olona voadio sy voafantina no mamboly izany hazo ao anaty Rova izany. Ho an’ny oniversite tsy miankina ISPFS Leader manokana dia fantatra fa tamin’ny taona 2010 izy no niorina teto Antananarivo ka anisan’ny ahitana azy ny etsy Tanjombato sy ao amin’ny 67 ha. Toraka izany koa ny any Antsirabe, Ihosy, Fort Dauphin, Mahajanga ary Toamasina. Mampianatra ho infirmiera sy mpampivelona izy ireo nefa mampianatra lalam-piofanana hafa ihany koa toy ny Science de la société, ny droit, ny gestion, ny informatika ary transit sy ny douane. Amin’ny datin’ny 11 Aprily ho avy izao indray ny fidirana manaraka ho an’ireo mpianatra mbola tara.
Pati
Legende : Navitrika tahaka izao ireo solontenan’ny mpianatra notronin’ny filoha tale jeneraliny Atoa Tsimiondrike Mahasoa
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap