airtel

Fampianarana

11-mars-2025

ONIVERSITE-N’ANTANANARIVO

Tara raha oharina amin’ny oniversite any ivelany

Sample post image

Tena tara raha oharina amin’ireo karazana oniversite misy marobe any ivelany ny oniversite-n’Antananarivo.

11-mars-2025

Laharana faha-179 amin’ireo oniversite miisa 200 aty Afrika mantsy izy, izany hoe : oniversite miisa 21 sisa no aoriany dia tratra farany isika eto Madagasikara. Antony maro no mahatonga izany raha araka ny fanadihadiana natao toy ny resaka foto-drafitrasa izay tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy intsony. Eo ihany koa ny tsy fandraisan’ny fanjakana ny andraikiny araka ny tokony ho izy ka miteraka ny fitokonana matetika hataon’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ary manapaka lavareny ny asa fampianarana. Fa tsy latsa-danja amin’ireo ny kalitaon’ny fampianarana izay tokony hohatsaraina hatrany arahin’ny fisian’ny fitantanana mangaraharaha hataon’ireo tompon’andraikitra sy ny fampifandraisana ity oniversite iray ity amin’ireo oniversite maro any ivelany. Amin’ny ankapobeny dia saika milokaloka ny hanatanteraka ireo rehetra ireo avokoa izay Filohan’ny Oniversite voafidy sy mandray ny asa saingy ny eo ihany aloha hatreto no eo. Nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny fampielezan-kevitra ho an’ireo kandida hirotsaka hofidiana ho Filohan’ny oniversite-n’Antananarivo. Hifarana afaka rahampitso Alarobia 16 Febroary izany raha amin’ny datin’ny 14 Martsa kosa no hanaovana ny fifidianana.
Pati
Legende : Miandrandra mpitantana vaovao tena mahavita azy ny Oniversiten’Antananarivo !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap
28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap