Naneho am-pahatsorana sy mahitsy ny Pr Panja Ramanoelina Filohan'ny oniversiten'Antananarivo teo aloha (2013-2019) raha nanontaniana mikasika ny fahitany ny toe-draharaha misafotofoto eny amin'ny anjerimanontolo, indrindra fa ny resaka fonenan'ny mpianatra fa ilaina fitsipi-pifehezana. Misy ny fifanarahana na "Protocole d'accord" eo amin'ny CROU-A (Centre Régionale des Œuvres Universitaires d'Antananarivo) sy ny Oniversiten'Antananarivo. Nambarany fa zavatra efa nisy taloha ny ohatran'ny miverina amin'izao. Ny iaingana amin'izao dia nisy ny fifanarahana lasitra hanamafisana kokoa ny fiaraha-miasa eo. "Raha amin'io rehefa nojereko amin'ny antsipirihany nampitoviako amin'ny zavatra taloha izay nosoniavina ny 11 septambra 2015, dia natsaraina ilay izy, hanatsarana ny fiaimpiainan'ny mpianatra sy ny eo amin'ny CROUA, fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ny fitantanana ny CAMPUS, fanamafisana ny andraikitry ny tompon'andraikitra tsirairay: filaminana, ara-panjakana,... Zava-dehibe ny fahaizana mandray andraikitra ao anatin'ny fanamafisana ny fitsipika sy ny sazy na "régime disciplinaire"", hoy I Pr Panja Ramanoelina. Eo anatrehan'ireo safotofo sy tranga dia hiverina lalana amin'ny zavatra efa natao taloha ve? hoy izy nanipika fa, ny filohan'ny oniveresite raha mifandray amin'ny CROUA dia mihevitra fiaraha-miasa tsara kokoa. Maninona, hoy izy, no taitaitra daholo rehefa misy fanaovana sonia? Nahitsy ny tenany naneho fa ny olana dia efa ela, misy ny tena mpianatra, misy ny tsy tena mpianatra "faux etudiants" mbola tsy mety miala. Izaho, hoy izy, nahalala tamin'ny fotoan'androny hoe: efa chef de service mbola mipetraka eny ihany. "Rehefa mba nahazo tombony tamin'ny naha mpianatra ny tena teny amin'ny oniversite taloha dia mba mahay mamindra amin'ilay zandry aty aoriana, mba ahafahany miakatra kokoa mamita ny fianarany", hoy ny Pr Panja Ramanoelina. Tsy nihambahamba izy noho izany ny naneho fa ilaina ny fandraisana andraikitra tompon'andraikitry ny oniversite sy ny tompon'andraikitry ny CROUA andaniny sy ny tena fandraisana andraikitry nympianatra ankilany.
MANANA FAHEFANA HANAPA-KEVITRA, HANDAMINA, HANASAZY,…
Tokony hiala ireo tsy mpianatra intsony hidiran'ny mpianatra tanora vao miakatra satria ny toeram-ponenan'ny mpianatra dia tsy hahazaka mihitsy ny mpianatra rehetra izay raha 20000 teo aloha, dia efa mananika ny 35000 ankehitriny. Manana fahefana hanapa-kevitra, handamina, hanasazy,... ny manam-pahefana, ary manana adidy ny mpianatra. Tsara ny fisian'ny fikambanan'ny mpianatra, ary raha amiko dia mety kokoa ny fikambanana pedagojika no mifandray tsara amin'ny fikamban'ny mpianatra eny amin'ny toeram-ponenana. Manana fa manana ny andraikiny ireo fikambanana isam-paritra fa tsy tena mahalala kokoa ny tena misy eny amin'ny oniversite sy ny pedagojia ka tokony hifanantona tsara hahalalana ny tena mpianatra sy ny tsy tena mpianatra. Raha tena hikatsaka ny tsara dia tena ilaina ny fifanatonana sy fifampiresahana, zava-dehibe ny resaka fitsipika ka rehefa misy manao fahadisoana dia zon'ny tompon'andraikitra ny mampiakatra CODIS, ary voasoratra izany tamin'ny fifanarahana nataonay, ary tena niasa ny filankevi-pifehezana tamin'izany, hoy ny Pr Panja Ramanoelina.
Toky R