airtel

Fampianarana

02-août-2023

Fampianarana

Raharaha bakalorea Tafakatra 16 ireo nidoboka am-ponja vonjimaika

Sample post image

Tafakatra 16 ireo olona naiditra am-ponja vonjimaika tamin’ny raharaha bakalorea.

02-août-2023

Ho an’ny teto Antananarivo miisa 13 tamin’ireo 19 no notanana anya m-ponja miandry fitsarana tamin’iny raharaha fanapariahana sy fivarotana ary fividianana laza adina tamin’ny bakalorea farany teo, izay niteraka fikorontanana teo amin’io fanadinam-panjakana io iny. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny 6 tamin’ireo voarohirohy mivantana na ankolaka. Taorian’ny fihainoana ireo voarohirohy ny takarivan’ny alatsinainy teo teto Antananarivo, dia mitohy any amin’ny faritra ny fanadihadiana. Ho an’ireo tany amin’ny faritra sasany, dia nisy olona 3 naiditra am-ponja vonjimaika ihany koa, 6 nahazo fahafahana vonjimaika, ary 10 napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana. Nahatratra 117 ireo voarohirohy nahitana ireo ahiana ho namoaka ny laza adina sy nanao fakan-tahaka nandritra ny bakalorea. Amin’ny 18 aogositra izao kosa ny fitsarana ity raharaha ity. Efa nivadika ho raharaham-pirenena sy raharaha sivily moa io afera bakalorea io, ka misy ny sampana manokana miandraikitra izany, fa tsy ny eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no mitory. Aim-pirenena sy iankinan’ny hoavin’ny tanora izany bakalorea izany, ka tokony tsy hamelana izay tompon’antoka tao anatin’ireny raharaha ireny, ary tsy tokony hisy ihany koa anefa ny fitadiavana olona na tompon’andraikitra mba hanangonana ny rihitra na hatao “fusible” izany hoe: hamonoana afo fotsiny, fa mila mizaka ny helony avokoa. Teo ny mety ho lesoka ara-teknika, fa mety tafiditry ny asa fanakorontanana, ka tokony handeha hatramin’ny farany ny fanadihadiana sy ny fitsarana. Tokony tsy hisy ny tsy maty manota, tsy tokony hisy ambonin’ny lalàna, fa izay rehetra mety ho tompon’antoka mivantana na ankolaka na koa mety nanao tsirambina, eny fa ny mpitandro filaminana izay niandraikitra ny fiambenana aza sao dia mba nisy tsy fahamailoana na sanatria tsikombakomba avy any ny zava-nitranga? Tokony hizaka ny vokany izay tombon’antoka rehetra, mila fongorina ireo mety mpanakorontana,… Tsy tokony hararaotina amin’ny politika, na koa hoentina fialokalofana amina rafitra na sendika samihafa fa izay voaporofo fa fositra sy nanao ny tsy mety dia mizaka ny saziny. Mila fahamailoana be ihany koa anefa sao sanatria hanameloka olo-marina sy hanafaka olo-meloka !
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap