airtel

Fampianarana

04-mai-2026

Raharaha sekolin’ny

Silamo eny 67Ha

Sample post image

Manizingizina ny andaniny fa

04-mai-2026

ara-dalàna ny fanaisorana an’Atoa Absouary
Nanaraka lalàna avy amin’ny tompon’andraikitra ambony sy avy amin’ny tribonaly ny fanesorana an’Atoa Absouary Said Arsène tao amin’ny Sekolin’ny Silamo ao 67Ha, hoy ny Jama eo anivon’ny Moske 67Ha Centre Ouest tamin’ny fanambarana novakian’Atoa Jawad. Nifampitory moa Atoa Abdoul Hady sy Atoa Absouary Saïd mikasika ity raharaha ity sy ny FSM (Fikambanan’ny Silamo Malagasy). Nisy fitondrana vadin-tany sy mpitandro ny filaminana ny herinandro teo, saingy mbola nikapoka ny vadin-tany Atoa Absouary, ka nisy baiko namoahana azy ivelan’ny sekoly, hoy ny andaniny. Ampangaina’izy ireo ho nanao tsindrihazolena sy manodinkodina ny volan’ny fikambanana izy, ary mirehareha satria manana fifandraisana amin’ny Filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina, araka ny fanambarana. Efa natao QG nanohanana ny volomboasary ny sekoly, ary manohana ny depiote IRMAR Augustin Andriamananoro izy ka mbola nahatrarana elo, T-shirt, lambahoany, hoy hatrany ny fiampangana. Tondron’izy ireo ho mandainga, ary tsy mbola nahazo antontan-taratasy na « Récépissé » maha Filohan’ny FSM. Ny sekoly Jery dia sekoly matoatoa tsy manana « attestation d’ouverture » ary tsy nahazo fanamarinana any amin’ny Cisco, fa « Arahamana » no anarana ara-dalàna mifandraika amin’ny Moske hoy hatrany izy ireo. Misy taratasy ara-dalàna nahafahana niditra nanala an’Atoa Absouary, araka ny Ordonnance N°154-PPCS/26, hoy Atoa Houssen Bruno. Nilaza Atoa Gilbert, mpikambana ao amin’ny « Comité de sage », fa tsy maintsy mivory io komity io vao manapa-kevitra, ka nolaviny ny fitsanganan’Atoa Branco ho solontenan’ny Raiamandreny. Tsy ekeny ihany koa ny fanimbazimabana ny razan’olombelona avy any Toliara toy ny filazana fa sôvazy na bado. Nisy fidirana an-keriny sy fanafihana natao tamin’ny Moske, ka olona 15 no tratra, efa nifona satria natahotra higadra, saingy misy lisitra hatramin’ny 50 navoaka, hoy Atoa Nourdine. Mitohy ny fifampiampangana, mbola tsy milamina ny raharaha ka asa izay ho tohiny ?
Toky R

Nanaraka lalàna avy amin’ny tompon’andraikitra ambony sy avy amin’ny tribonaly ny fanalàna an’Atoa Absouary Said Arsène tao amin’ny Sekolin’ny silamo ao 67Hak, hoy ireo Jama eo anivon’ny Moske 67Ha Centre Ouest, tamin’ny alalan’ny fanambarana novakian’Atoa Jawad Tompon’andraikitra ara-tsosialy eo anivon’ny Fiangonana. Nifampitory moa Atoa Abdoul Hady sy Atoa Absouary Saïd mikasika ity raharaha ity sy ny FSM (Fikambanan’ny Silamo Malagasy). Nisy fitondrana vadin-tany sy mpitandro ny filaminana ny herinandro teo, saingy mbola nikapoka ny vadin-tany Atoa Absouary, ka nisian’ny baiko namoahana azy ivelan’ny sekoly, hoy ny andaniny. Ampangain’izy ireo ho nanao tsindrihazolena, manodinkondina ny volan’ny fikambanana izay azo avy any ivelany sy avy eto an-toerana, ary mirehareha mafy satria manana ny Filoha teo aloha Andry Nirina Rajoelina, hoy ny fanambarana. Efa natao QG nanohanana ny volomboasary ny sekoly, ary manohana ny depiote IRMAR Augustin Andriamananoro izy ka mbola nahatrarana elo, T-shirt, lambahoany,… hoy hatrany ny fiampangana. Tondron’izy ireo ho mandainga, ary tsy mbola nahazo antontan-taratasy marina na « Récépissé » maha Filohan’ny FSM (Fikambanan’ny Silama Malagasy. Ny sekoly Jery ihany koa dia sekoly matoatoa tsy manana « attestation d’ouverture » ary tsy mbola nahazo fanamarinana any amin’ny Cisco ny Sekoly Jery, fa « Arahamana » no anarana ara-dalàna mifandraika amin’ny Moske, hoy ny fanazavana. Misy taratasy ara-dalàna nahafahana niditra tamin’ny sekoly nanala an’Atoa Absouary, araka ny Ordonnance N°154-PPCS/26, hoy ny fanamafisam-panazavana nataon’Atoa Houssen Bruno, mpiandraikitra ny fitandroana filaminana eo anivon’ny Moske. Nilaza ny mpikamban’ny «Comité de sage » Atoa Gilbert, fa araka ny lalàna mifehy azy ireo, dia tsy maintsy mivory io komity io rehefa misy raharaha tahaka izao vao manapa-kevitra ho fanta-bahoaka, ka laviko hoy izy, ny fitsanganan’ny Sekretera jeneraly Atoa Branco fa izy no solontenan’ny Raiamandreny. Tsy eken’ny saiko ihany koa ny fanimbazimabana ny razan’olombelona avy any Toliara toy ny filazana fa sôvazy, bado,… ka raha misy heloka dia an’ny mpanao azy, fa tsy ho an’ny razana nihaviana, ary tsy tokony hovoizina amin’ny fiangonana, hoy izy. Nisy ny fidirana an-keriny sy fanafihana natao tamin’ny Moske, ka ny 15 tratra, dia voalaza fa nisy iraka hanao ratsy, efa nifona ireo tratra satria natahotra higadra, saingy misy lisitra hatrany amin’ny 50 navoakan’izy ireo, araka ny fanazavan’Atoa Nourdine mpiandrakitra eo anivon’ny Moske. Mitohy ny fifampiampangana, mbola tsy tena milamina ity fifanolanana ity ka asa izay ho tohiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique