airtel

Fampianarana

15-janv-2026

SALON DE L'ÉTUDIANT-

SPÉCIAL RENTRÉE JANVIER

Sample post image

Etsy amin'ny le Pavé Antaninarenina no fotoana

15-janv-2026

Toy ny fanaony isan-taona dia hanatanteraka ilay Salon de l'étudiant spécial rentrée volana Janoary indray ny Madajeune. Etsy amin'ny le Pavé Antaninarenina no hanatontosany izany ny Alakamisy 22 Janoary sy ny Zoma 23 Janoary ho avy izao manomboka amin'ny 08 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva tsy miato. Tanjon' ny mpikarakara ny hanampy ireo tanora vao afa-panadinana Bakalorea tara fidirana tamin'ny volana Septambra sy Oktobra taona 2025. Toraka izany koa ireo efa nianatra ihany tany aloha saingy noho ny antony manokana dia voatery nijanona kely naka bahana ary hiverina hianatra indray ho fitsinjovana ny ho avy. Sekoly ambony manodidina ny 30 isa no hiara-handray anjara amin'izany hampahafantatra ireo karazana lalam-piofanana misy ao aminy, izay marihina fa efa voky traikefa sy manana ny maha-izy avokoa. Hisy ihany koa ny toro-hevitra maimaim-poana omena ireo mpianatra mikasika ny lalam-piofanana tokony arahiny mba tsy hahavery fotoana azy ireny. Hivoaka amin'io fotoana io ihany koa moa ny tari-dalana Madajeune nomerika hahafahan'ny mpianatra mamantatra ireo karazana sekoly ambony misy eto amintsika sy ny lalam-piofanana ao aminy ka amin'ny alalan'ny fampiasana finday dia efa hita sy fantatra izany.
Pati
Légende : Mahavory olona marobe tahaka izao hatrany ny Salon karakarain'ny Madajeune !
 

Dans la même rubrique

05-mars-2026

Mahasarika mpianatra sy Ray aman-dReny marobe

Card image cap