airtel

Fampianarana

12-janv-2024

SALON DE L’ETUDIANT- SPECIAL JANVIER

Etsy amin’ny le Pave Antaninarenina ny fotoana

Sample post image

Mba ho fitsinjovana ireo tanora mpianatra tara fisoratana anarana tamin’ny fidirana voalohany

12-janv-2024

tamin’ny volana Novambra taona 2023 lasa teo dia hanatanteraka ilay Salon de l’etudiant manokana volana Janoary ny vondrona Madajeune. Ny 18 sy ny 19 Janoary ho avy izao no hanatanterahana izany etsy amin’ny Le Pave Antaninarenina. Ankoatra ny fanoroana hevitra ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalorea mikasika izay lalam-piofanana tokony arahiny mifanaraka amin’ny asa tiany hataony rehefa any aoriana dia hisy ihany koa ny fahafahan’izy ireo miresaka sy mitafa mivantana amin’ireo tompon’andraikitry ny sekoly ambony. Sekoly ambony maro mantsy no ho avy handray anjara amin’izany izay marihina fa manana saram-pianarana zakan’ny fahefa-mividin’ny Ray aman-dReny avokoa. Tanjona moa raha araka ny fanazavan-dRtoa Iarilanto Haingo, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Madajeune ny hanosehana hatrany ireo tanora mpianatra Malagasy ho tafita amin’ny fianarana fa tsy sanatria hidonanam-poana na tsy mahalala ny tokony akory hataony ka ho very 2 na 3 taona vao tonga saina, tranga mitovy amin’ireo nipetraka fotsiny ihany.
Pati Legende : Tanora mpianatra marobe tahaka izao no efa nahazo tombony tamin’ny Salon de l’edutiant nokarakarain’ny Madajeune !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap