airtel

Fampianarana

22-août-2025

Salon Des Etudes Supérieures faha-22

Manampy sy manosika hatrany ireo vao afa-panadinana Bakalorea

Sample post image

Tao anatin'izay 23 taona nisian'ny Madajeune izay dia tsy manadino ireo tanora

22-août-2025

mpianatra Malagasy vao afa-panadinana Bakalorea izy ireo isaky ny vanim-potoana tahaka izao. Hanoro, hanosika ary hanome fahalalana ireo mpianatra mikasika ny lalam-piofanana tokony hoarahiny aorian'ny fahazoany ny mari-pahaizana Bakalorea no tena tanjon'izy ireo ka amin'ity andiany faha-22 ity dia hiarahany amin'ny ONG HARI izany, etsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Ny datin'ny 02 sy ny 03 Septambra ho avy izao no hanatanterahana izany ahitana sekoly ambony hatrany amin'ny 80 isa raha mahatratra hatrany amin'ny 100 kosa ireo trano eva handray anjara. Hisokatra manomboka amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva isan'andro ny vavahady ka 2.000 Ar no saram-pidirana amin'izany. Hivoaka mandritra ireo fotoana ireo ihany koa ny Guide des études de formation de Madajeune andiany faha-24 hampahafantarana ireo sekoly ambony miisa 50 ao anatiny ny lalam-piofanana hatolony sy ny mombamomba azy. Mpitsidika hatrany amin'ny 5.000 isa no andrasana mandritra ireo roa andro ireo, raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra.
Pati
Légende : Hifanotofan'ireo tanora mpianatra tahaka izao hatrany ny Salon des études Supérieures isan-taona !

 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Hisy tolotr'asa ho an'ny tanora

Card image cap
20-août-2026

Raha ny fanisàna natao

Card image cap