airtel

Fampianarana

23-août-2023

Salon des études universitaires et des formations

Hatao eny Tanjombato ny 24-25 aogositra

Sample post image

Hanomboka ny 24 sy 25 aogositra izao etsy amin’ny Analamanga Hotel Tanjombato ny andiany voalohany amin’ny antsoina hoe “Salon des études universitaires et des formations”.

23-août-2023

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny ZRK Event, Zina Rakotoseheno, izay mpikarakara ity hetsika ity dia isan’ny tanjona ao anatin’izany ny fampisehoana sy fanehoana fa betsaka ny toerana na sekoly ao Atsimondrano izay azo anohizana fianarana ao aorian’izay Bakalorea izay, hoy izy. Matetika any Antananarivo ireo mpianatra nahazo Bakalorea, izay arahabaina aloha ireo afaka tamin’ity taona ity, no mandranto fianarana nefa aty amin’ity faritr’Atsimondrano ity dia be dia be ny sekoly ambony, oniversite, ivotoeram-piofanana izay afaka mandray ankizy be dia be. Betsaka amin’ireo oniversite tsy miankina koa no aty no misy ny fanampiny na “annexe” satria be loatra ireo ankizy mitady, izany hoe tsy ampy ny tolotra nefa marobe ny tinady. Maherin’ny 20 isa aloha no mpandray anjara, noho ny fahateren’ny toerana tamin’ity andiany voalohany ity, raha maherin’ny 25 kosa ireo taranja na “filière” azo hisafidianana. Ankoatran’ny fampiratiana dia mandray fisoratana anarana avy hatrany ho an’ireo izay liana ireo sekoly ambony sy oniversite ireo. Manome torolalana ihany koa izy ireo. Tsy ireo mpianatra afaka Bakalorea ihany no antsoina fa na ireo nahazo “Licence” sy “Master” ka te hanohy any ivelany, ohatra, satria dia iaraha-miasa amin’izy ity koa ry zareo ao amin’ny Andafy study, izay miara-miombon’antoka amina sekoly ambony miisa 30 any am-pitan-dranomasina. Misy tolotra ho an’ny fiofanana arak’asa na ho an’ireo maniry ho any amin’ny faritra ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique