airtel

Fampianarana

26-juil-2022

Fampianarana

SECES Antananarivo “Henonay ilay hoe :ho hita eo izay reraka aloha!”

Sample post image

Raha nitaky nandritry ny 2 volana sy tapany ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES Antananarivo dia mety gaga ny rehetra satria

26-juil-2022

 nanana fanetren-tena hilefitra izy ho fitsinjovana ny zana-bahoaka mandrato fianarana ety amin’ny anjerimanontolo miankina amin’ny fanjakana, hoy ny filohan’izy ireo, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Fantatra, tsapa, hananana porofo amin’ny fomba maro, hoy izy, fa tsy ho antenaina hamaha olana ka hametraka amin’ny toerana mendrika azy ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ity fitondrana mijoro ity. Resy lahatra izahay satria natao ny fihaonana tamin’ny fitondram-panjakana ambony, isany ny fiadidiana ny repoblikan’I Madagasikara. Nisy koa ny fanatonana, fifampiresahana amin’ireo mpitondra fanjakana ambony. Hita ary tsapa fa fandrirarirana sy fandaniana andro no nataon’ireny olona ireny. Henon’ny sofinay tsara mihitsy ny antso an-tariby nifanaovana tamin’ny tomponandraiki-panjakana ambony ny hoe “Avelao hanao eo fa ho hita eo izay reraka aloha!”. Izany ve no mba fahendren’ny atao hoe mpitondra fanjakana? Misy antony matoa mitaky ny SECES manerana ny nosy. Nanapa-kevitra ny SECES manerana ny nosy fa tsy hitaky amin’izao fitondrana izao intsony fa manantena kosa fa tsy maintsy hisy rafitra vaovao hametraka amin’ny toerany ny tena hasin’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika izay fantatra fa hany kitro hifaharan’ny fandrosoam-pirenena. Andriamanitra tsy andrin’ny hafa, andrin’ny SECES ihany. Aleo mampangina ambo-po rehefa tsara fa manao be marenina ny mpitondra, hoy hatrany ny SECES Tana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique