airtel

Fampianarana

05-sept-2023

SECES Antananarivo

“Mafy ny fampijaliana iniana ataon’ity fitondrana ity”

Sample post image

Nanao fanambarana omaly ny SECES Sampana Antananarivo fa in-efatra nangataka fihaonana tamin’ny

05-sept-2023

praiminisitra ireto sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ireto nandritry ny 5 taona fa dia nisedra tsy firaharahiana hatrany. In-3 nihaona tamin'ny SGAP nanazava ny antony ilana ny lalàna momba ny fizakan-tenan’ny oniversite na “loi sur l'autonomie” fa ny vokatr'izany dia fandavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC in-2 miantoana io tolo-dalàna io, hoy ny SECES. Niezaka ny nitondra ny anjara manandrify, nanolotra vahaolana, nanome soso-kevitra, nantsoina andro dia andro, tsy hary nanam-pandavana ny SECES ho fitandroana sy fikatsahana ny hasin'ny MESupres amin'ny maha mpiara-miombon'antoka ny SECES sy ny MESupres kanefa indrisy, nataon'ny governemanta sy ny fitondrana zinona izany rehetra izany. Rehefa tapi-dalan-kaleha ny SECES dia niroso tamin’ny fivorian'ny birao nasionaly sy ny filankevitra nasionaly nisesisesy ho fialana nenina fa dia mbola tsy nisy vokany hatrany izany. Voatery niroso tamin’ny oniversite sy foibem-pikarohana maty ary fampitsaharana ny asa fampianarana sy fikarohana efa ho 2 volana ny SECES Sampana Antananarivo, izay vao navoakan'ny fitondram- panjakana tsy an-tsitra-po, tsikelikely ny ora fanampiny (HC) sy ny “vacation” na tambin-karaman’ireo mpampianatra an-tselika amin’ny ampahany ho an'ny taom-pianarana 2018-2019 tapany faharoa sy ny fandraisana ny fangatahana hisondrotra ho Profesora feno. Mbola ijaliana ny ambiny; ora fanampiny (HC) sy ny “vacation” taom-pianarana 2019-2020, 2021-2022, tambin-karama ho an'ny “retraités-chercheurs” na mpikaroka retirety 2018, 2019, 2020, 2021, ny trosan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra amin’ny fitondrana “Rappels sur les trois décrets », ireo volavolana didim-panjakana miisa 5 ho fampiharana ny lalàna n° 2021-005, ny volan’ny fampandehanan-draharaha “budget de fonctionnement” an'ny oniversite sy ireo foibem-pikarohana, ny “CRCM-CPR” ho an'ny mpandraharaha (PAT) tokony hisitraka izany, ny fiarovana ny tanin'ny oniversite sy ireo foibem-pikarohana ary ny zon'ny mpianatra sy ny toeram-ponenany.
MAHAIZA MIFIDY MPITONDRA MITSINJO NY VAHOAKA SY NY FAMPIANARANA
Miray feo sy miombona amin’ny FSMM ny SECES koa indro zaraina sy ampahatsiahivina ny fehin-kevitra iombonana. Aoka mba hahay hamaky tsara sy handray ny ambaran’io fehinkevitra io sy ny mety ho tohin’izany ny fitondrana. Sarotra ho an'ny SECES ny hanadino izany rehetra izany ary anentanany ny mpiray tanindrazana mba hahay hifidy izay ho mpitondra mitsinjo marina ny vahoaka sy ny fampianarana amin’ny ankapobeny. Tsy manaiky ny ho fitaovana politika hiarovana na/sy hakana fahefam-pitondrana anefa ny SECES Sampana Antananarivo. Tsy manohana vondrona politika, na kandidà, na firehana politika ny SECES Sampana Antananarivo nefa manaja kosa ny safidin'ny tsirairay handeha amin'ny anaran'ny tenany manokana. Mitohy ny fampiatoana ny fampianarana sy ny fikarohana. Hanatanteraka fivoriambe ny sampana rahampitso (TTF: anio) talata 5 septambra 2023 manomboka amin’ny 9 ora ao amin’ny Amphi. R 234, ary arahina "Sit in" na fitokonana eny amin’ny Esplanade Ankatso izany koa samia mitondra “toge” na samboady ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra rehetra izay manana. Mafy amin'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ny miaina ny fampijaliana iniana ataon'ity fitondrana efa hifarana ity; koa atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny ho ao ampon'ny mahalala, hoy hatrany ny SECES Antananarivo.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap