airtel

Fampianarana

21-nov-2022

Fampianarana

SECES Antananarivo Nanao antso avo ho an’ny mpitandro filaminana

Sample post image

Manoloana ny fanapahana navoakan’ny birao nasionaly sy ny biraon’ireo sampana miisa 6 manerana ny nosy,

21-nov-2022

nivory ny 13 oktobra 2022 lasa teo dia miantso fiombonana sy firaisankina feno avy amin’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra mba samy hanaja amin’ny antsakany sy andavany ny fepetra takian’ny SECES amin’ny fitondram-panjakana mba hahafahany miroso amin’ny fidirana taom-pianarana 2022-2023, dia ny fandoavan’ny fitondram-panjakana ny “vacations”, izany hoe, karaman’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra an-tselika sy ny ora fanampiny na “heures complémentaires” ho an’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra raikitra, taom-pianarana 2018-2019, enim-bolana faharoa, hoy ny SECES sampana Antananarivo. Eo koa ny tambin-karama momba ny fikarohana sy famotopotorana na “allocation de recherche et d’investigation” ho an’ireo mpikaroka misotro ronono na “retraités chercheurs” taona 2018, 2019, 2020 ary 2021, indrindra fa ny an’ireo ao amin’ny « Faculté des Lettres et Sciences Humaines ». Efa tafarotsaka tao amin’ny kitapom-bolan’ny oniversiten’Antananarivo izany “allocation de recherche et d’investigation” 2018 izany ny 14 desambra 2021 kanefa tsy mety alohan’ny “Agence Comptable” mandraka androany fa fandrirarirana hatrany no nasetrin’izy ireo ny mpanaraka antontan-taratasy. Mila mahazo toky mazava ny SECES fa handoa tsikelikely ny vary mangatsiakan’ny fampiharana ny “3 décrets” ny fitondram-panjakana mahefa. Mandeha araka ny tokony ho izy ny fisitrahana ny “Maintien en activités”, ny “Reclassement automatique” sy ny “Allocation de recherche et d’investigation”. Hojerena manokana koa ny fanomezana « postes budgétaires » ho an’ny MESupReS mba tena hifanaraka amin’ny filan’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana sy ireo foibem-pikarohana nasionaly. Mivory avy hatrany ny SECES Sampana Antananarivo raha vantany vao mahazo vokatra tsara azony ekena manoloana ireo zo sy hasiny lasa ankilabao ireo. Ny SECES, Sampana Antananarivo ihany koa dia miantso ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitondra isan’ambaratongany rehetra mba samy handray andraikitra ka hamongotra hatrany amin’ny fakany ny endrika tsy fandriampahalemana izay efa mampiteny ny moana eto Madagasikara fa tsy sanatria halaim-panahy hiray tsikombakomba amin’ireo fahavalom-pirenena. Manao antso avo amin’ireo ankolafin-kery rehetra mba samy hampandefitra ny hambom-pony sy ny kajikajy politika maro samihafa ary hivondrona sy hifanome tànana manoloana ny fahoriam- bahoaka sy ny fahantrana lalina iainan’ny valalabemandry, hoy hatrany ny SECES.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap