fanekena ny firotsahan’ny filoha teo aloha Andry Rajoelina ny SECES Sampana Antananarivo, ary naneho fa lasa henatra ho an’ny oniversite izay namolavola ny mpitsara sy ny mpahay lalàna iny fanapahan-kevitra iny. “Ny SECES Sampana Antananarivo dia tohina tanteraka mahita ny fepetra sy ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy miombon-kevitra ary mametraka fa tany tan-dalàna, tsy misy ambonin’ny lalàna, tokony hajaina ny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zomm-pirenena izay tsy misy hanombinana. Tahaka izany ihany koa ny andininy faha-46 amin’ny lalàmpanorenena”, hoy ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Pr Ravelonirina Samy Grégoire. “Misy olona efa nisafidy ny hanary ny zom-pirenena ka tsy tokony ho tafiditra anaty lisitra. Mahatsiaro menatra, ary manongo tena ny oniversite, mamolavola manam-pahaizana, namolavola mpitsara, kanefa zavatra mifanohiitra amin’izany no navoakan’ny HCC”, hoy hatrany io Filohan’ny Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra io. Niantso ny fahendren’ireo mpikamban’ny HCC vitsivitsy 5 na 4 sahy mijoro amin’ny fahamarinana moa ny tenany. “Miangavy anareo mba hametra-pialana tsy misy hatak’andro izay manao ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny fandraisanareo fanapahan-kevitra araka ny tsy tokony ho izy, dia ianareo no tompon’andraikitra amin’ny hampilamina na hampikorontana ny firenena”, hoy hatrany ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo.
Toky R
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana