airtel

Fampianarana

24-janv-2024

Sekolim-panjakana

Tsy ampy 2 000 000 isa ny dabilio ilaina

Sample post image

Nanao fampitam-baovao tao amin'ny pejiny Facebook ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena,

24-janv-2024

Ramatoa Sahondramalala Marie Michelle nampahafantatra fa tsy ampy 2 000 000 isa ny dabilio eny amin’ny sekolim-panjakana. 45 000 dabilio isan-taona anefa no natokana hatreto ao anaty tetibolam-panjakana, raha ny nambarany. Tombanana ho 100 000 Ar - 250 000 Ar eo ny sandan'ny dabilio iray. Nanao tsapa-kevitra izy raha vonona ny olom-pirenena hanome dabolio iray isan-taona ho an’izy ireo ; tsy manome vola fa manolotra dabilio. Raha ny valin’io tsapan-kevitra io hatramin’ny omaly tamin’ny 8ora alina, 67% namaly « Eny » ary 33% kosa nanao « Tsia ». Isan'ireo naneho fahavononana tanteraka amin'izany Andriamatoa Tahina Razafinjoelina, kandidan'ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2023, izay nanipika mazava fa hoe : tena vonona tanteraka tompoko ary tsy hijerena loko politika ny fanabeazana. Fa mba miangavy : aoka re ny fanjakana tsy handany vola amin'ny rendrarendra sy ny fandaniana tsy mitondra soa fa mba izay tena hitondra fandrosoana mankany amin'ny famokarana no ilofosana.". Tsy hisy firenena handroso raha ny fampianarana no hatao ambanin-javatra, ary manamafy hatrany ilay tenin’i Nelson Mandela hoe : « Ny fampianarana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra hahafahantsika manova izao tontolo izao ».
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap