Efa ela izahay no nilaza fa ny fampianarana sy fanabeazana no antoky ny fampandrosoana, hoy ny Sendikan’ny mpampianatra malagasy na Sempama, tetsy amin’ny Restaurant Tsiky Ambohijatovo, omaly. T3 na taona faha 3 avy aty amin’ny ambaratonga voalohany anefa no hisokajian’ny olona ny fari-pahatakaran’ny malagasy, hoy ny filohan’izy ireo, Claude Raharivoatra. Raha misavorovoro ny raharaham-pirenena ankehitriny, mihetsika daholo ny herivelona rehetra dia tsy mahagaga satria T3 izany no fari-pahaizana misy antsika malagasy. Mahamenatra anay mpampianatra sy mpanabe izany ary toy ny ompa atao aminay hoe 60 taona mahery izao no nahazoana ny fahaleovantena dia mbola lazaina hoe T3 ny fari-pahaizantsika. Ny faraparan’ny taona 2002 dia nisy foraoma iraisampirenena momba ny fanabeazana natao tany New York. “La transformation de l’éducation” na fanovana ny fanabeazana no lohahevitra. Fehikevitra nivoaka ny hoe manomboka amin’ny mpampianatra sy mpanabe izany fanovana izany. Mahatsiaro tena ho tomponandraikitra amin’ny zava-misy izahay. Tena misavoritaka ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ao izao! Amin’ny maha sendika anay dia manao fitakiana maromaro izahay ireto heverinay fa tena antony sy fositra tsy mampandeha araka ny tokony ho izy ny fanabeazam-pirenena. Nanomboka ny taona 1960 teo amin’io minisitera io, eo amin’ny fialan-tsasatra lehibe no andaminana ny zava-drehetra tokony atao hiatrehana ny taom-pianarana vaovao. Eo no atao ny famindran-toerana, fanamboarana trano fianarana, fikojakojana isan-karazany hisosan’ny taom-pianarana vaovao araka ny tokony ho izy. 3 herinandro izao no niditra ny taom-pianarana. Izao vao mandeha mandrivorivo ny famindran-toerana. Tsy ekena izany fomba fiasa mamotika fanabeazana izany. Ataon’ny minisitera fitaovana politika fotsiny ny olona sy fitaovana ao amin’ny minisitera. Aza potehina ny zaza malagasy! Fampianarana inona no tena atao fa miisa 2 izao ny praograma eo anivon’ny minisitera? Ny iray hoe “Programme d’étude”. Vaovao io ary nampiharina tamina sekoly 180 isa mahery ary neverina fa ho ampiasaina eto amin’ny firenena. Tsy mbola vita nefa ny antsoina hoe “généralisation” na famelana hampihatra azy. Ny iray hoe “programme scolaire” izay efa nampiharina hatramin’izay. Takiana ny fampisitrahana ny fanabeazana maimaim-poana. Betsaka no mbola tsy naharay ny antsoina hoe “caisse école” izay kitapom-bola natao hampiodinana fampianarana. Mbola voatery mandray mpampianatra FRAM ireo sekoly. Maro dia maro ireo dosie tsy misy fikarakarana. 20.000 isa mahery amin’izao fotoana izany na ilay antsoina hoe “dossier en soufrance”. Kolikoly no aterany. Misy amin’izao ny mpiasa, mpandraharaha any amin’ny PAC sy fonja vokatry ny tsy fikarakarana ireo dosie ireo. Misy koa ny antsojay atao amin’ireo heverina fa tsy mitovy firehana amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny minisitera. Gaboraraka, petatoko, kitoatoa ny fitantanana ny minisitera. Ajanony ny fanaovana hazalambo ireo izay tsy mitovy firehana amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny minisitera. Sao tokony hametra-pialana ramatoa minisitra mba tsy hampanjombona ny hoavy? Maro ny zava-misy mbola mamoha henatra ao amin’io minisitera io fa hatreo aloha ny anio, hoy hatrany ny Sempama.
J. Mirija