ny faran’ny herinandro teo tao amina sekoly tsy miankina iray teny Ivandry, namoaka fanambarana ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa tsy azo ekena ny herisetra na inona na inona endriny. Nilaza ny Minisitera fa hisy ny fepetra raisina mikasika ity mpanabe ity rehefa tena voamarina ny tranga. Nambara fa mandray ireo fa manoka-baravarana eo anatrehan’ny mety ho fitoroana na famakiana bantsilana ny herisetra tahaka ireny ny Minisitera sy ireo antanan-tohatra toy ny fitaleavam-paritry ny fanabeazana, ny CISCO. Andaniny, tsy niandry ela ilay ramose izay voalaza fa tsy mpampianatra tsotra fa tompon’ilay sekoly mihitsy, fa tonga an-tsitrapo tao amin’ny polisy « PMPM » Tsaralalalana. Voalaza fa niatrika fanadihadiana momba iny tranga iny. Tsy mbola nisy aloha ny fanazavana nahatonga ilay fikasihan-tanana hatramin’izao. Voalaza fa fanaon’io Talen-tsekoly io ny manadina ireo mpianatra isa-maraina, ka tao amin’ny kilasy « 4 eme I » iny no nitranga ny fibedesana sy fikasihan-tanana, izay nadikan’ny mpanara-baovao ho herisetra ara-batana sy ara-tsaina. Ankoatra ny maha-mpanabe azy, mpanazatra amin’ny klioba lehibe sady mpitarika tanora mpilalao baolina kitra eny Ivandry io Tale io, ka tsy misy tsy mahalala azy ny eny an-toerana, hoy ny fanamarihana. Andrasana izay ho tohin’ny raharaha, fa samy nanana ny nandraisany azy moa ny rehetra teo anatrehan’iny tranga iny. Tao ny nanameloka avy hatrany fa tsy azo ekena ny herisetra na inona na inona antony, ary tao ihany koa no naneho fa tsy tokony hitsara sy hanameloka avy hatrany satria tsy mora ihany koa ny mitaiza tanora, ary sarotra ny asan’ny mpampianatra sy mpanabe.
Toky R
Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE
Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana