Hapetraka ny rafitra manokana fitaterana maimaimpoana ho an’ireo mpiadina BEP sy BEPC, manomboka ny 6 hatramin’ny 9 jolay 2026 eto Antananarvo Renivohitra. Tanjon’ity hetsika ity ny hanamaivana ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny sy hiantohana ny fahatongavana ara-potoana sy am-pilaminana ny mpiadina eny amin’ny ivon-toeram-panadinana. Miisa 84 « bus Foton » no hapetraka amin’ny zotra 21 eto an-drenivohitra, mankany amin’ny ivon-toeram-panadinana 20 (BEP 5 sy BEPC 15). Manomboka amin'ny 5ora ka hatramin'ny 6 ora sy 10mn ny fiaingana maraina, ary hanomboka amin'ny 5 ora hariva kosa ny fitaterana miverina. Tsy maintsy manana taratasy manamarina fa mpanala fanadinana ny mpianatra ary misy lehibe iray manaraka. Misy soratra ''EXAMEN'' ny fiara tsirairay, ka mpianatra iray miampy mpanaraka iray, izay maimaimpoana. Ireo zotra efa mahazatra ihany no ampiasaina, tsy misy fanovana lalana vaovao. Ity hetsika ity dia maneho ny fanoloran-tenan’ny Fanjakana izay iarahan’ny CUA, METFP sy ny MEN ary ny MTM, izay entina hanohana ny tanora Malagasy sy hiantoka tontolo milamina mandritra ny fanadinana. « Anisan’ny tena anton’izao fanampiana ireo mpanala fanadinana ny toromarika avy amin’ny PRRM, nieritreritra izy ary nitsinjo ny vahoaka, indrindra ireo Ray aman-dReny izay manana zanaka hanala ireo fanadinam-panjakana ireo, mba hahafahana manalefaka ny fahasahiranana. Mba hisian’ny filaminan-tsaina ho an’ireo mpanala fanadinana satria isan’ny miteraka tebitebin-tsaina ny fahatarana », hoy ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa Dr Todisoa Andriamampandry. Betsaka rahateo, hoy izy, ny fitohanana eto Antananarivo sy ny manodidina, mety tsy maharaka ny « bus », ka anton’izao fandraisana andraikitra lehibe izao. Tsy an-tery satria mety misy ireo manana vahaolana, fa fanampiana kosa ho an’ireo manana olana,… Niantso ireo mpitatitra mahazatra hanao ny asany an-tsakany sy an-davany ihany koa moa ny tenany satria zanaka iaraha-manana ireo mpanala fanadinana. Ho fanohanana ny fianakaviana, hisokatra sy hampiasaina ihany koa ny zaridaina Anosy, Ambohijatovo, Analakely ary Antaninarenina, hahafahan’ny mpianatra mamerin-desona. Namafisin'ny tomponandraikitra fa voarara ny mividy zavatra manodidina ny ivontoeram-panadinana mba hisorohana ny mety ho loza sy hiantohana ny fizoran'ny fanadinana ao anatin'ny filaminana.
Toky R