airtel

Fampianarana

07-mai-2026

Tantelinirina Fenotoky

Nanana nofinofy ho mpitsabo,

Sample post image

lasa mpandraharaha “YTOK Faratsiho”

07-mai-2026

Tanora iray tsy kivy manoloana ny sedra i Tantelinirina Fenotoky fa sahy nanova ny fiainany sy ny an'ny hafa. Avy amin'ny fianakaviana tantsaha izyy. Toy ny tanora rehetra dia nanana nofinofy, ary ny ho lasa mpitsabo ny azy. Nanohy fianarana teny amin’ny oniversite izy rehefa nahazo ny mari-pahaizana bakalorea. Voatery niato tamin'ny fianarana anefa rehefa nodimandry ny rainy. Tsy nampijanona ny herim-pon'i Fenotoky anefa izany fa vao mainka nanosika azy handroso. Nanaraka fiofanana momba ny fiompiana sy ny fambolena, sehatra nahafahany nanangana indray ny hoaviny. Nanangana ny “Ferme YTOK Faratsiho”, ny taona 2020. Nanomboka tamin’ny fiompiana kisoa hatavezina izany, ka 15 isaky ny enim-bolana no vokatra. Ankehitriny, mahatratra 60 isa ny kisoa atavezina isaky ny enim-bolana, miaraka amin’ny renin-kisoa 6 mpiteraka. Niitatra amin'ny fiompiana omby vavy be ronono ihany koa. 6 no nanombohany ka efa mahatratra 22 ankehitriny. Ny taona 2023, nahazo fankatoavana ara-panjakana ny anarana "YTOK Faratsiho," mariky ny fahamatorana sy ny fitomboan’ny orinasa ary ny fahombiazany. Efa eny an-tsena ireo vokatra azo avy amin'ny ronono mitondra io marika io. Tonga nitsidika ny “Ferme YTOK Faratsiho” ny Minisitry ny Fiompiana, Randrianomenjanahary Riana Nantenaina ny faran'ny herinandro teo. "Isan'ny modely ity toeram-piompiana ity eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fiompiana sy ny fandraharahana ety ifotony", hoy ny minisitra. "Nambarany fa mamelona sy mampandroso ny fandraharahana izay hita fa efa misandrahaka ny asa ary mamelona olona maro tokoa". Mipaika mivantana amin'ny fiharian'ny mpiompy izany ka mendrika fanohanana. Nangonin'i
Jean D
Ny Minisitry ny Fiompiana, Randrianomenjanahary Riana Nantenaina nitsidika ny “Ferme YTOK Faratsiho”
 

Dans la même rubrique

07-mai-2026

Miezaka miady amin'ny tsy fananan'asa mahazo

Card image cap