hany solontenan'ny kaontinanta afrikanina tamin'ireo mpandray anjara miisa 500 nandritry ny HackHarvard 2026, raha ny fampitàm-baovao voaray. Mpianatra informatika avy ao amin’ny ENI Fianarantsoa izy. Efa nisongadina nandritry ny «Olympiades Africaines 2026» momba ny Ilontsaina artifisialy na «Intelligence Artificielle» (IA) tany Tonizia. Nisolotena an'i Madagasikara tany amin'ny «Olympiades Internationales 2026 IA» tany Kazakhstan ihany koa ny tovolahy. Tafahaona tamin'i Kanto tany Etazonia ny Profesora Hajanirina Razafinjatovo, raha ny rantiny tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Ny Profesora indray moa dia manam-pahaizana momba ny matematika sy ny informatika. Mpampianatra tao amin'ny MISA teny Ankatso. Manana Ph.D (Doctorat) amin'ny matematika izy ary manana Master amin'ny fitantanan-draharaham-panjakana tao amin'ny Harvard Kennedy School of Government, Etazonia. Efa nitana andraikitra lehibe teto amin'ny firenena izy. Ny taona 2002 hatramin’ny 2004 izy dia minisitry ny paositra sy fifandraisan-davitra. Ny taona 2004 hatramin’ny 2007, efa minisitry ny fanabeazana sy fikarohana siantifika. Ny 2007 hatramin’ny 2009 izy dia minisitry ny fitantanam-bola. Ankehitriny dia mampianatra matematika any Etazonia izy ary miasa amin'ny resaka "conseil et développement d'applications en leadership" na mpanolontsaina amin’ny resaka fampandrosoana fampiharana amin’ny lafiny haitarika ihany koa, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany. Azo lazaina ho manana ny firenena raha ny mikasika ireo manam-pahaizana momba ny lafiny matematika sy informatika ary mampiaiky ny sehatra iraisampirenena no ambara sy tsiahivina. Isan’ny tena nampiaiky ihany koa, ohatra, vao 7 taona lasa izay, ny malagasy manam-pahaizana momba ny matematika sy informatika hatrany, dia ny Profesora Sammy Grégoire Ravelonirina, izay efa tompondaka erantany teo amin’izay taranja matematika izay tao anatin’ilay sokajy antsoina hoe «Algèbre de Lie». Hatreto, araka izany, azo lazaina ho mampiaiky erantany ny malagasy, raha taranja matematika no resaka.
Nangonin’i J. Mirija