hoy ireo mpanabe eo anivon’ny lisea HR Daniel Ambohipanja Ankadikely Ilafy. Ny ankamaroan’ny mpampianatra eny amin’ny ambaratonga fototra, hoy ny fanazavana, dia inoana fa saika nofanina tanaty taranja literera ary mifantoka bebe kokoa amin’izay. Ny fiarahamonina koa miezaka mampiseho fa sarotra ny taranja siantifika ary manamaivana ny taranja literera. Mihevitra ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ary ny fiarahamonina fa mora ilay taranja literera dia mizotra mankany ny mpianatra. Lasa mpianatra vitsy sy manam-piniavana sisa manao ilay siantifika nefa azo atao tsara ny manomana an’izay, indrindra, ao anatin’izao vaninandro isian’ny fitaovana be dia be izao na dia atao hoe misy fahalafosany kely aza ohatra ny aterineto sy solosaina. Oharina amin’ny taloha izany dia efa tokony ho mora ny mampita ny taranja siantifika hananan’ny mpianatra toetsaina siantifika, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Nitondra zava-baovao ara-teknolojia antsoina hoe : « ASYNC » na « Asynchrone »