airtel

Fampianarana

15-févr-2024

Toamasina

Miato hatramin'ny rahampitso ny fampianarana

Sample post image

Nanapa-kevitra ny komity misahana ny loza voajanahary ao amin'ny

15-févr-2024

faritra Atsinanana fa miato hatramin’ny 16 febroary ny fampianarana ao amin'ny faritra Atsinana. Voakasiky ny fampiatoana ny fampianarana avokoa ny sekoly miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana ao amin'ny farimpiadidimpampianarana voalohany sy faharoa mandra-pihenan'ny rotsak'orana sy mampidina ny rano. Tonga dia nampiharina avy hatrany io, izay efa nosoniavin'ny Préfen'i Toamasina. Andaniny, raha ny vinavinan'ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, dia haharitra hatramin'ny 18 febroary ny rotsak'orana. Efa misy mandray traboina rahateo ny EPP Maro toy ny ao Valpinson, Analamboanio ary Ambohijafy, hoy ny tatitra. Hitohy ny rotsak'orana amin’ny morontsiraka atsinanan’i Madagasikara mandritra ny andro vitsivitsy, ka Distrika dimy ao amin’ny faritra Atsinanana sy Analanjirofo no ao anatin’ny loza fanairana ho an’ny omaly 14 febroary, dia i Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Toamasina I sy II, ary ny any Vatomandry. Tsara ny manamarika, fa isan’ny tena lasibatra i Fenoarivo Atsinanana ankehitriny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap