airtel

Fampianarana

25-sept-2025

Toeram-pampianarana ambony,

sekoly, ray aman-dreny…

Sample post image

Maro ireo nandray fepetra fitandroana aina manokana

25-sept-2025

Maro ireo nandray fepetra fitandroana aina manokana, raha ny vaovao niely omaly voaray avy amina toeram-pianarana ambony, sekoly, ray aman-drenin’ny mpianatra eto Antananarivo renivohitra. Misy ireo nanao filazàna mazava fa ho fisorohana ny mety ho korontana na loza ateraky ny hetsika hitranga eny Ambohijatovo amin’ity anio alakamisy 25 septambra 2025 ity dia nandray fepetra izy ireo tsy hanisy fampianarana eny anivon’ny toeram-panabeazana iadidiany amin’ity anio ity. Misy amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra kosa no tsy niandry izay fanapahan-kevitry ny sekoly na toeram-panabeazana izay fa avy hatrany dia nandray fepetra tsy handefa ny zanak’izy ireo any am-pianarana. Hatramin’iny omaly iny dia tsikaritra fa tsy nifidy sehatra ny fanehoan-kevitra naneho ny tsy fankasitrahana intsony izao zava-misy ankehitriny izao, indrindra moa ity fahatapahan’ny herinaratra lavareny sy rano ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique