airtel

Fampianarana

05-avril-2024

Tontolon’ny informatika

«Tsara be ny fari-pahatakaran’ny tanora malagasy»

Sample post image

Ny jona 2023 no nisokafan’ny fisoratana anarana ho an’ireo naniry handranto fianarana

05-avril-2024

momba ny tontolon’ny informatika eo anivon’ilay sekoly ambony iraisampirenena mifandraika amin’izany etsy Andraharo antsoina hoe 42, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny serasera ao, Clemence Ratovoson. Ny 19 febroary 2024 kosa, hoy izy, vao nisy ny fidirana voalohany satria nisy fifantenana samihafa natao. Miisa 196 ny andiany voalohany ato amin’ny 42 raha ohatra ka maherin’ny 8000 ireo nisoratra anarana ny taona 2023. Vehivavy ny 30 amin’ireo. Izy ity dia fianarana maimaipoana, tsy mametraka fandaharam-potoana, tsy misy hoe mpampianatra fa misokatra 7 amin’ny 7 andro ny toeram-pianarana na «campus». Efa ao anatin’ilay rindrambaiko ny dingana na «cursus» arahan’ireo mpianatra ka sady mianatra izy ireo, noho izany, no afaka mampihatra avy hatrany izay ianarany. Ireo mpianatra ihany no miezaka mametraka fitsipika ho an’ny tenany.Tanjona ny hamolavola ireo mpianatra amin’ny fiaraha-miasa sy fiaraha-mianatra fa tsy hifaninana. Isan’ny «campus» an’ny 42 net-work izay niorina tany Paris ny taona 2013 ny 42 Antananarivo. «Campus» faha 4 eto Afrika izy. Voalohany aty amin’ny ranomasimbe indianina. Tombony goavana ho an’ny tanora malagasy ny fananana azy. Angatahana be maneran-tany ankehitriny ny fahaizana informatika. Laharana faha 4 amin’ny fivoaran’ny indostria ny resaka informatika na ilay antsoina hoe IA, izany hoe «Intelligence artificiel». Miandrandra ny 42 ary manomana ny tanora malagasy hiroborobo kokoa amin’ny informatika hanampy ny eto an-toerana sy any ivelany. Tsy misy sara-pisoratana anarana na saram-pianarana fa maimaipoana ny tolotra rehetra ao anatin’ilay fianarana. Tsara be ny fari-pahatakaran’ny tanora malagasy ny tontolon’ny informatika, raha ny nambaran’ny foiben’ny 42 any Paris, mitaha amin’ny an’ireo firenen-kafa, hoy hatrany ny fanazavan’i Clemence Ratovoson. Mety tsara, hoy kosa ny isan’ireo mpianatra, Haga Niaina Rabezanahary, ilay fe-potoana 3 taona voafaritra hanatanterahana ireo dingana amin’ilay fianarana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap