airtel

Fampianarana

29-janv-2024

WORK PROGRAM

Hanofana tanora matihanina amin’ny fiompiana sy fambolena

Sample post image

Vato misakana tsy hahafahana mampandroso ny firenena ny

29-janv-2024

hamaroan’ireo tanora tsy an’asa ao aminy. Anisan’izany isika eto Madagasikara. Raha misy tanora 100 nahavita fianarana tokoa mantsy ao anatin’ny taona iray dia ny 10 amin’ireo monja no mba mahita asa mifanaraka amin’ny fianarana noratovony, antony mampahazo vahana ny asa tsy ara-dalana eto amintsika toy ny fivarotana amoron-dalana….Nitady vahaolana mifandraika amin’izany ny fandaharan’asa Work Program sy ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy, voafidy tamin’ny anaran’ny antoko Tiako I Madagasikara ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano. Nosantarin’izy ireo tamin’ny fanomezana fiofanana maimaim-poana teny amin’ny By pass izany ny Sabotsy teo ka olona manodidina ny 400 teo ho eo no nisitraka izany raha kely. Ankoatra ny fiompiana akoho gasy dia nampianarina ireo olona ireo tamin’izany ny fiompiana trondro carpe royal. Hitohy amin’ny fiandohan’ny volana Febroary ho avy io amin’ny fiofanana fampiharana omeny noho ny efa fananan’izy ireo ivon-toerana mifandraika amin’izany hahafahan’ireo mpiofana mampihatra izay fahalalana noratovony. Nambaran’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy moa fa noho ny fahitany ny fahasahiranan’ny Malagasy ateraky ny tsy fisian’asa no nanosika azy hihetsika sy hanohana ny Work Program tahaka izao raha eo ihany koa ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay notsindriany fa tena tokony himasoana. Mpandraharaha matihanina miisa 500 no kasain’izy havoaka noho izany amin’ny faran’ity taona 2024 ity hahafahana miady amin’ny fahantrana lalina misy eto Madagasikara.
Pati
Legende : Ny Solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy teny Atsimondrano, manohana sy miara-miasa akaiky amin’ny Work Program !

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Tafakatra 70% ny tahan’ny tsy fananan’asa mahazo ireo tanora latsaky ny 30 taona eto amintsika.

Card image cap