airtel

Fandriampahalemana

30-janv-2024

Ady amin'ny tsy fandriampahalemana

Nanome jiro ireo Fokontany 9 eny Ambohidratrimo ny ZAM

Sample post image

Manjaka ny tsy fandriampahalemana ao anatin'ny Kaominina Ambonivohitra Ambohidratrimo.

30-janv-2024

Betsaka ny fatiolona hita teny amin'ny Fokontany sasantsasany. Mitaraina ny mponina eny an-toerana kanefa tsy raharahin'ny Ben'ny tanàna izany. Soa fa teo ny fikambanana ZAM (Zanak'Ambohidratrimo Marovatana) tarihin'Atoa Rabary Hery, ka nametraka jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro, miampy takamoa miisa 80 mahery napetaka tamin'ny andrin-jiron'ny JIRAMA entina hanazavana ny tanànan'Ambohidratrimo no indrindra koa iadiana amin'ny tsy fandriampahalemana. 5 taona ngarangidiny no niaina tao anatin'ny aizina ny mponina ato amin'ny Kaominina Ambohidratrimo. Tsisy nandeha ny jiro eny an-dalambe. Maty avokoa ny andrin-jiron'ny JIRAMA ka manjaka ny tsy fandriampahalemana. Mitaraina ny mponina kanefa tsy rarahin'ny mpitantana ny tanàna. Nahatsapa izany ny ZAM nitondra hazavana ho an'ny tanàna, nahafaly ny mponina ny hetsika. Ankoatry ny fanazavana ny tanàna dia efa maro ny asa sosialy vitan' ny ZAM tarihin' ny Prezidà Rabary Hery teny anivon'ny Fokontany 9 mandrafitra ny Kaominina Ambohidratrimo : tao ny fampidirana rano fisotro madio, ny fampitaovana ireo klioba ara-panatanjahan-tena, ny fanomezana masomboly ny tantsaha, ny fampitaovana ireo mpanasa lamba, ary ny fanomezana hasina ireo zokiolona noho ny taona vaovao.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap