ilay tovovavy antsoina hoe RAZANAJOELINA Lydia, 20 taona, ny marainan’ny alatsinainy teo. Araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia tsy fahafatesana tsotra no nahazo an’ity tanora ity fa famonoana olona niniana natao. Nilaza tamin-katezerana sy alahelo tanteraka ny fianakaviana fa tsy mpivaro-tena tahaka araka ny niely tamin’ny tsaho eny anivon’ny fiarahamonina sy tambajotran-tserahsera ilay zanak’izy ireo. “Zanaka nitrebona sy nanana hoaviny tsara i Lydia. Tsy mpivaro-tena izy. Tsy rariny ny fanasoketana ataon’ny olona amin’izao tranga mampalahelo izao,” hoy izy ireo. Araka ny fanazavana nomen’ny fianakaviana, dia niala tao an-trano ny alahady atoandro i Lydia ary nilaza fa hihaona amin’ny tovolahy sakaizany. Tsy tafaverina an-trano anefa izy. Niezaka niantso azy ny fianakaviany tamin’ny 7 ora hariva, saingy maty ny findainy. Ny ampitso vao nisy nahita ny vatany efa vata mangatsiaka teny amin’ny faritra ny « Barrage » teny Tanjombato. Miandry ny vokatry ny fanadihadiana sy ny fizahana avy amin’ny mpitandro filaminana ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Efa manomboka mandeha ny fanadihadiana amin’ny antony nahafaty sy ny olona farany niaraka taminy. Ahiana ho tratry ny famonoana niniana natao ity tovavy ity, raha ny fanamarihana.
Asminah Randriamanjara (Mpiana-draharaha)
Dahalo 60 lahy no nanafika tao amin’ny zana-bondrona Mandinisoa, fokontany Mandribe,
Raha ny vaovao re farany omaly alahady momba ilay sakafo namono olona teny Ambohimalaza dia 24
lehibe iray no hita faty mihoson-drà tao amin'ny fokontany Ampahibe, kaominin'Ampasimazava,
Tovovavy kely iray manodidina ny 20 taona antsoina hoe : Clémentine monina ao