Anisan’ny vaovao vao niparitaka tsy ela tao anaty tambajotran-tserasera ohatra ny fisian’ireo olona mitondra moto dia misy mamono sy manendaka eny amin’iny faritra iny. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic dia efa tafakatra roa hatreto ireo tambajotra mpanendaka moto tratra teny amin’iny faritra iny. Vao tamin’ny herinandro teo ny iray farany nahitana olona miisa 6. Tsy hijanona hatreo ny ezaka hataon’ny kaominina sy ny zandarimariam-pirenena manoloana izany. Hisy ny fitetezana ireo Fokontany miisa 12 hataon’ny Ben’ny tanana sy ireo mpitandro ny filaminana ato ho ato hananganana ny andrimasom-pokonolona isam-pokontany. Hiara-kiasa mandritra izany ny fokonolona sy ny polisy kaominaly ary ny zandarimariam-pirenena hahafahana mamongotra ireo tontakely. Na izany aza dia miantso ireo mponina ao amin’ny faritra iadidiany ny Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty mba samy hitandrina fa ny ratsy tsy misy tandroka.
Pati
Legende : Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tanànan’i Talatamaty
Jiolahy 3 lahy nitondra basy sy antsy no nanafika sy nandroba toeram-pivarotana fitaovana fanamboarana trano na
Tena efa tsy mifidy harapaka intsony ireo jiolahy ankehitriny. Jiolahy miisa 3 no indray nanafika tokantrano iray tao Antanetibe