airtel

Fandriampahalemana

09-juil-2021

Fandriampahalemana

Aigle noir, Ankasina, Isotry… Mpanendaka rain-dahiny iray no tratra

Sample post image

Lehilahy mpanendaka raindahiny no tratran’ny polisy teny amin’ny Tetezan’ny Jesosy mamonjy 67 ha ny 06 jolay lasa teo.

09-juil-2021

 Raha araka ny fantatra dia efa tena diso havanana loatra amin’ity asa ratsiny ity io lehilahy io. Polisy nanao fanamiana sivily nanao fisafoana teny an-toerana no efa nanara-maso ireo mpanendaka saika hanao ny asa ratsiny teo amin’ny arrêt bus 119 - 67 ha. Miisa 03 izy ireo no saika hanatanteraka izany ka ny iray tamin’izy ireo no voasambotra fa ireo roalahy namany kosa tafatsoaka. Niaiky ny heloka nataony ity jiolahy nandritra ny fanadiadihana natao taminy .Fantatra ihany koa fa efa mpamerin-keloka izy ary efa nisy fotoana nahasamboran’ireo Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria 67ha azy talohan’izao nahatrarana azy izao. Natolotra ny fitsarana omaly ny tovolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap