airtel

Fandriampahalemana

25-avril-2024

Kolikoly eny amin’ny fonja eto Madagasikara

40000A hatramin’ny 2 tapitrisa Ar eo ny tsolotra…

Sample post image

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

25-avril-2024

ny Maridrefin'ny kolikoly eny amin'ny fonja eto Madagasikara (B-CORCAR) andiany voalohany ao anatin'ny fanatanterahana ny tetikasa MAIKA (Malagasy miAdy Isanandro amin'ny Kolikoly sy ny Amboletra), tohanan'ny Vondrona Eoropeanina. Niainga tamin’ny fanadihadiana natao ny taona 2023 tamin’ny fianakavian'ny voafonja miisa 976, mpisehatra eo anivon'ny fitsarana sy mpandraharahan'ny fonja miisa 97 ary voafonja na efa nahavita sazy miisa 292, tamin’ny tanàn-dehibe 6 miampy an’i Taolagnaro. Mbola nampian'ny asa fikarohana momba ny tsy fahatomombanan'ny rafi-pitsarana sy trangana kolikoly eny amin'ny fonja, ny tsy fahampian'ny fandraisan'andraikitry ny fitondrana ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Nivoitra fa ny 75% amin'ny voafonja teo aloha nohadihadiana no nilaza fa ny fanomezana tsolotra no isan'ny trangana kolikoly mateti-pitranga. Misy fahatsapana ambony be ny kolikoly amin'ny endriny rehetra (fanaparam-pahefana, fanararaotana fahantarana olona, fanomezana tombondahiny) eo anivon'ny fonja, ka zara raha mahazo naoty 0,7 ka hatramin'ny 1,4 amin'ny 4. Isan'ny endrika isehoany ny fanomezam-bola mba ho amin'ny toerana tsaratsara kokoa ao am-ponja noho ny faharatsian’ny tontolo ao am-ponja, ny fahafahana vonjimaika na fahafahana miasa ivelan'ny fonja (MOP) izay misy fanaovana kolikoly amin’ny mpitsara sy ny mpiandraikitra, ny kolikoly mba hanohizana ny fitazonana olona ataon'ny mpifanandrina,.... Manodidina ny 40000 hatramin’ny 2 tapitrisa Ar ny tsolotra fanao. Misy fampiasana mihoampampana ny fitazonana mialohan'ny fitsarana, ny fandefasana am-ponja mandeha ho azy na « MD Systèmatique ». Nisy tranga notaterin’ny Amnesty ny taona 2017 dia ny fisian’olona voatazona vonjimaika nanomboka ny taona 1990 satria tsy hita ny “fiche de detention”. Fositra ny tsy fisiana na tsy fahampian’ny nomerika amin'ny fitantanan-draharahan’ny fonja. Ny mpandraharahan'ny fonja sy ny eo anivon'ny fitsarana kosa dia mihevitra fa antonony ny tahan'ny fangaraharana (naoty 1, 3 hatramin'ny 2.4/4), ny saran'ny vola aloha amin'ireo karazana tolotra no heveriny fa tsy dia mangarahara loatra. 75%-n'ireo olona nohadihadiana (fianakaviana sy mpandraharan'ny fonja) no nilaza fa tsy mahomby ny fitorohana eo anivon'ny BIANCO; 82%-n'ireo nantonina koa dia mihevitra tahak'izany mikasika ny PAC. Voalaza ihany koa fa ny fitarainana eo anivon'ny fiarahamonim-pirenena dia mahomby kokoa (naoty 1,6/4) noho ny fisian'ny boaty fametrahana fitaraina any am-ponja (naoty 0,7/4). Nisy kosa ireo tsikera nataon’ireo avy amin’ny Fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja fa misy ny mety ho tranga maningana kanefa mety raisina amin’ny safobemantsina. Nanipika moa ny TI-IM fa betsaka ny mpitsara manao ny asany araka ny lalàna saingy misy ny tsindry toy ny ara-politika. Vahaolana isan’ny aroson’ny TI-IM ny fijerena fomba hafa ialana amin’ny « MD Systèmatique », ny fampihenana ny fivangongoana ao am-ponja,…
Toky R
Légende : Nandritra ny famùpahafantaran’ny TI-IM ny B-CORCAR omaly tetsy amin’ny Hotely Colbert

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Nitrangana vaky fasana tao Ambohimamory, Fokontany Ankarenana,

Card image cap
02-mai-2024

Nisehoana toe-javatra mampalahelo teo Analakely akaikin’ny Gastro Pizza ampitan'ny Le Glacier omaly alarobia 01 mey 2024.

Card image cap