airtel

Fandriampahalemana

22-mai-2025

FONJABEN’ANTANIMORA

Mitohy ny fanofanana arak’asa ireo voafonja

Sample post image

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny fonjaben’Antanimora Antananarivo,

22-mai-2025

ny fotoam-pikatrohana amin’ny fampiofanana arak’asa ho an’ireo olona beazina ao anatin’ity toerana fanarenana ity, afak’omaly Talata 20 May. Hisy ny fanolorana fanamarinana mari-pahaizana ho an’ireo izay mahavita ny fampiofanana ka anisan’ireny ny fianarana teny vahiny. Miisa 48 ireo fikambanana manao asa soa sy ONG miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana izany izay nampahafantarina ampahibemaso tamin’io andro io ihany koa.Tanjona ny hanomanana azy ireo hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina sy hitsinjovana ny mahaolona ireo voafonja ka afaka indray hiatrika ny fiainany aorian’ny fivoahana mba tsy ho vesatry ny fiaraha-monina.Nisy fotoam-pivavahana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny ray aman-dreny ara-panahy nentina hitondrana am-bavaka ireo voafonja sy ny fijerena ny ho avin’izy ireo.
Pati
Legende : Ireo mpahazo tombontsoa !
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Nahitana fatin'olona nihantona tamin'ny tady teo ambony hazo ny Sabotsy 07 Jona

Card image cap