Renim-pianakaviana iray no niharam-boina omaly teny Ankatso. Maty voatifitry ny lehilahy miaramila izay vinantony ihany. Voalaza fa fianakaviana avy any Sambava ilay renim-pianakaviana, raha miaramila mpiambina olona ambony na « garde du corps » kosa ilay lehilahy. Disadisan-tokantrano ka nahatonga no niandohany, raha ny filazana vonjimaika. Voalaza ho niditra an-tsehatra tamin’ny adin’ilay zanany sy ny vinantony ilay ramatoa, ka notifirin’ilay vinanto teo amin’ny lohany. Andaniny, nanambara ny Tafika Malagasy fa tsy miray tsikombakomba amin’ireo manao ny tsy mety sy fandikan-dalàna ka manaratsy ny endrik'izy ireo. Nambaran'izy ireo fa nametraka malalaka ny tompon’andraikitra misahana ny raharaha toy izao sy ny fitsarana hampihatra ny lalàna velona izy ireo, ary miaombina alahelo sy mankahery ireo fianakaviana niharam-boina. Tsara ny manamarika fa nitolo-tena ilay miaramila taorian’ny fandatsahana aina nataony. Niaretan-tory tao amin'ny Fast-food Ankatso 2 kosa ny vata mangatsiakan'ilay renim-pianakaviana omaly alina. Eo am-pelantanan’ny Zandarimaria kosa ilay Sergent tompon'antoka izay voalaza fa miasa ao amin'ny fiadidiana ny Repoblika. Ny tranga tahaka izao dia maneho sy manamafy fa ilaina ny fanadihadiana ara-tsaina sy ara-pitondran-tena na « enquête de moralité » mialohan’ny fandraisana olona miasa amin’ny sehatra saropady tahaka itony, eny fa ho an’ny asa rehetra aza.
Nangonin’i Toky R