mendrika ireo manampahefana
Nahazo naoty 25 / 100 i Madagasikara ka laharana faha 148 tamina firenena 182 raha ny tahan’ny fanaovana klikoly navoakan’ny Transparency International ny taona 2025 no raisina. Ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena no lohalaharana (44%), manaraka ny mpitsara (39%), laharana fahatelo ny ao amin’ny governemanta (34%) laharana faha efatra ny Prezidansa (33%). MISY VAHAOLANA IO Mazava ny resaka eto fa any anaty fanjakana no tena zava-doza ny kolikoly ka tena goavana ao anatin’io ny resaka tsena-barom-panjakana tolo-botsotra , ny fanaovana antontan-taratasy isan-karazany eny amin’ireny sampandraharaham-panjakana ireny, ny ady tany. Tsy misy zava-miafina ireo fa fantatry ny rehetra. Tsy hiroso mihitsy noho izany ny ady amin’ny kolikoly raha tsy misy fanavaozana goavana amin’ny fomba fiasa eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana.Asa mahitsy sy marina araka ny lalàna, mangarahara ary hita mazava hoe iza no manao inona. Mila azava tsara hoe rehefa manao antontan-taratasy tahaka izao na izao dia maimaimpoana ve sa mandoa vola, raha mandoa vola dia ohatrinona io ary aiza no arotsaka. Ny tsara indrindra ary efa fanao maneran-tany dia tsy hoe mitomdra vola an-tanana rehefa mandoa vola fa na alefa amin’ny banky na mampiasa « mobile money » Ny antony : misy azo hanarahana tsara hoe vola niainga tary io ary niditra tatsy, tahaka izoa no sandany. Tsy maintsy mampiseho ohatra tsara noho izany ny mpitondra fanjakana, manampahefana isan-tsokajiny, ireo mpiasam-panjakana raha te hanabe vahoaka mbatsy ho roboka anaty fanaovana kolikoly. Tena fanetriben’ny firenena ny kolikoly, olom-bitsy no mahazo tombotsoa azy fa ny valalabe mandry tavela eo, mety falifaly indray mi-pimaso ihany fa hoe afa-pahasahiranana fa nametraka kely fa rehefa avy eo miverina ihany ny fahavoazana.Izay ilay mila fanavaozana. A ENCADRER Vola 800 tapitrisa dolara na 3612 miliara ariary eo ho eo no vola very amin’i Madagasikara isan-taona noho ny fanaovana kolikoly. Ahafahana manamboatra lalana mirefy 530 km izany miampy fananganana hopitaly 20 manerana ny nosy.
RTT
(Sary fanehoana)