Antsiranana ny Amerikana
Nitsidika an’Antsiranana omaly 4 novambra ny Jeneraly John Brennan, Komandy lefitry ny Fibaikoana ny Tafika Amerikana aty Afrika (US AFRICOM), niaraka tamin’ny Ambasadaoro Peter Vrooman, lefitra misahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny sivily sy ny miaramila (DCME) eo anivon’ny AFRICOM, sy Tom Bevan, Mpiandraiki-draharaha Amerikana. Nijery ireo fotodrafitrasa sy nandinika ny drafitr’asa izay ahafahan’i Madagasikara mandray anjara lehibe kokoa amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina eto amin’ny faritra manodidina izy ireo, niaraka tamin’ireo manamboninahitra ambony ao amin’ny tafika malagasy. Nitsidika ny tobin'ny tafika an-dranomasina ao Antsiranana sy ny seranam-piaramanidina ao Andrakaka ary ny seranan-tsambo ity delegasiona amerikana ity niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana Malagasy. Nifantoka tamin'ny tetikasa vatsian'ny governmanta amerikana vola hanavaozana ny fipetrahan’ny fiaramanidina ao amin'ny seranam-piaramanidina Andrakaka ny fifanakalozan-kevitra. Tetikasa izay manamafy ny fampidirana an'i Madagasikara ao anatin'ny fanazaran-tena Cutlass Express 2027 iarahan'ny firenena maro, mikendry ny hanatsara ny fahaizana mamantatra ny zava-misy eny an-dranomasina sy ny hetsika fiarovana an-dranomasina araka ny Fitsipi-pifehezana Iraisam-pirenena momba ny Ranomasina izay natao tany Djibouti.Mandritra ny fanazaran-tena Cutlass Express 2027 dia hanana anjara toerana lehibe kokoa i Madagasikara miohatra amin'ireo andiany teo aloha. Ankoatra ny fandraisan'anjaran'ny Centre Régional de Fusion d’Informations Maritimes (CRFIM) ao Antananarivo sy Centre De Fusion D'informations Maritimes (CFIM) roa eto Madagasikara dia hampiantrano ny fanazaran-tena ihany koa ny eto Antsiranana ary mety handray anjara mivantana amin’izany ny ekipan’ny U.S. AFRICOM aty Afrika Atsinanana. Mivoatra ho lasa ivon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny ranomasina aty amin’ny faritra misy azy i Madagasikara ary ny fanohanan’i Etazonia ny fanarenana ny seranam-piaramanidina sy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo foibe fibaikoana ary ny fanofanana ny tafika an-dranomasina dia manampy ny Malagasy hiaro ny fiandrianam-pireneny sy ny fari-dranomasiny ary hampiroborobo ny toe-kareny.« Ny fanampian’i Etazonia ny tafika malagasy hahavita tena amin’ny fanaraha-maso sy fiarovana ny fari-dranomasin’i Madagasikara dia fandraisana anjara amin’ny fiantohana ny fahafahan’ny sambo mivezivezy malalaka sy ny fisitrahan’i Madagasikara ny harena an-dranomasiny », hoy ny Jeneraly John Brennan. « Manantitra hatrany ny finiavany hiara-hiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka malagasy amin’ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna sy ny fivezivezena an-tsokosoko an-dranomasina i Etazonia ahazoana antoka fa hitondra fampandrosoana ara-toekarena sy filaminana maharitra ho an’ny vahoaka malagasy ny toekarena manga », hoy kosa ny Ambasadaoro Vrooman.Manaja ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara i Etazonia ary miara-miasa aminy amin’ny maha-mpiara-miombon’antoka mangarahara sy maharitra azy, hoy hatrany ny fanazavana.
Nangonin’i RTT