taona eo no hita faty niantona tamin’ny hazo tao Antanimenakely ambiniriana, kaominina ambanivohitr’i Ilaka Centre, distrikan'Ambositra, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra ny razana omaly tamin’ny 8 ora maraina ka nampandre avy hatrany ny fokonolona. Araka ny fanazavan'ny ben'ny tanàna ao an-toerana dia nisy nahalala ilay tovovavy ireo mponina, mpandalo ary ny avy amin’ireo fokontany manodidina. Teny an-toerana ny zandary sy ny mpitsabo nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana avy eo. Ho entina any Ilaka centre ny razana mba hiandrasan’ny havany azy, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija