airtel

Fandriampahalemana

05-nov-2026

Tinah sy ny vadiny

Nampidirina eny Antanimora

Sample post image

Nampidirina eny Antanimora

05-nov-2026

ny talata teo i Tinah sy ny vadiny, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly. Amin'ny 15 desambra kosa ny fitsaràna azy ireo. Tinah ilay vehivavy nandositra nifanenjehan'ny polisy tetsy Analamahitsy andro vitsy lasa izay, raha ny fanazavàna voaray. Andro tamin'ny 8 ora sy sasany alina io teny Analamahitsy io. Voalaza fa tafaporitsaka izy, raha toa ka nokarohina noho ny fisolokiana. Saika hitsoaka any an-dafy izy. Nofandrihana teny Analamahitsy ny harivan’io saingy efa mpiady ny tenany. Niandry azy teo akaikin'ny Galana, tsy lavitra ny Coliseum ny mpanampiny nitondra ny zanany, izay ho alainy sy nokasainy hoentina hiala an'i Madagasikara. Nitondra fiara Kia Morning izy. Hitany tsara ilay zanany sy ilay mpitaiza saingy tsy noraisiny avy hatrany fa nolalovany fotsiny aloha. Efa mahana be. Avy eo niverina avy any Androhibe izy. Efa narahan'ny polisin'ny SUT tamin'ny moto. Nobahanana tamin'ny Starex ny lalany, saingy nofahony ilay Starex. Nisy fiaran'olon-tsotra ihany koa voadonany. Nirifatra nandositra na dia efa vaky aza ny kodiarany. Navelany teo amin'ny Bassin ilay fiara ary nitsoaka nihazo elakelan-trano mivoaka any amin'ny FJKM ny tenany. Ary tany dia tsy hita. Nitohy ny fikarohana. Fitoriana miisa 7 no voarain'ny polisy mikasika azy mivady. Ny vadiny no efa voatazona tao Tsaralalàna tamin’io fotoana io fa izy kosa taty aoriana vao tra-tehaky ny mpitandro filaminana raha niafina tanaty tranomboky iray, raha tsiahivina hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

ADY
05-nov-2026

Mila mampiseho fitondran-tena

Card image cap
05-nov-2026

Nitsidika ireo toby miaramila any

Card image cap
04-nov-2026

Amerikanina misahana an’i Afrika

Card image cap